Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2014

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2014

13 Aogositra 2014

Mandà Ny Tsy Hiara-Misakafo Amin'i Obama Amin'ny Iftar-n'Ny Trano Fotsy Ireo Mpitari-Tolona Silamo-Amerikana

Mbola misy ny tsy fifanarahana raha mbola midaroka baomba an'i Gaza i Israely ary ny vaovao farany izao dia manamarina fa mbola mitsikilo ireo lohan'ny mpisorona amin'ny vondrom-piarahamonina Silamo-Amerikana ny governemantan'i Etazonia.

08 Aogositra 2014

Tadjik Bilaogera iray Hafa Momba An'i Alexander Sodiqov

Andro dimampolo ary mitohy hatrany ny fanisàna hatramin'ny nisamborana an'i Alexander Sodiqov, olon'ny Global Voices, nosamborin'ireo manampahefana tao Khorog, Tajikistan. Navotsotra i Sodiqov saingy tsy afaka madiodio. Ity misy Tadjik bilaogera iray hafa miaro ny anarany.

07 Aogositra 2014

#BooksForRasul: Inona No Tena Ilain'ireo Azerbaijani Mpiaro Zon'Olombelona Mifonja? Boky

Manasa ny olona ny gadra iray fahiny noho ny politika mba handefa boky ho an'i Rasul Jafarov, ilay Azerbaijani mpikatroka mafàna fo nosamborina ka hankalaza ny fitsingerenan'ny faha-30 taonany any am-ponja.

Mitohy Mahafaty Olona Ny Daroka Baomba Barika Ao Syria Na Dia Eo Aza Ny Fiampangana Iraisam-pirenena

Tsy noraharahian'ny governemanta Syriana ny fanapaha-kevitry ny Filan-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambana mba hampitsahatra ny fampiasana fitaovam-piadiana "barikam-baomba", izay nararaka an-jambany tao amin'ireo faritra misy sivily.

06 Aogositra 2014

Enjika Mpamosavy [Hazalambo] Elektronika ao Bahrain, Israely sy ny ISIS

Marobe ireo olona nosamborina sy nampijaliana tao Bahrain taorian'ny hazalambo antserasera hamantarana ireo mpanao fihetsiketsehana. Nampiasain'i Israely sy ny ISIS izany tetikady izany androany.

04 Aogositra 2014

Mampiasa Media Sosialy Ny Indiana Mba Hiadiana Amin'ny Fanavakavaham-piaviana Mihatra Amin'ireo Tavaratra-atsinanana

Maro tamin'ireo mponina avy ao amin'ny firenena avaratra-atsinana, faritra antsoina hoe «Seven Sisters (Mito Mirahavavy)», no miatrika fanavakavahana ara-poko ao amin'ny fanjakana ambiny noho ny endrik'izy ireo Aziatika Atsinanana sy ny kolontsaina samihafa

Koblyakov, Rosiana-Frantsay, Mpikatroka Mafàna Fo Sady Mpanohitra, Nosamborina tao Bolgaria

Ny 29 Jolay 2014 teo, voasambotra tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena tao Sofia, Bolgaria i Nikolay Koblyakov, mpanangana ny "Free Russia" (Rosia Afaka), izay efa an-taona maro no nikarakara hetsi-panoherana manohitra ny fitondran'i Poutine