Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2014
Mpitoraka Bilaogy Saodiana Voaheloka 10 Taona An-Tranomaizina Sy Kapoka 1000
Nomelohan'ny fitsarana Saodiana 10 taona an-tranomaizina sy kapoka 1000 i Raif Badawi, omaly, noho ny nanaovany tranonkala malalaka.
Fahafatesana sy Twitter: Tati-Baovao Avy any Okraina

Nitatitra tao amin'ny Twiter ny Rosiana mpanoratra gazety Ilya Azar fa nitifitifitra fahatany ireo sivily tao Krasnoarmeysk sendra nandalo azy ireo ny Mpiambina Nasionaly vao natsangana
Miaraha Aminay Amin'ny Tweetathon #FreeZone9Bloggers Amin'ny 14 Mey

Tongava manatevin-daharana ireo bilaogeran'ny Global Voices amin'ilay tweetathon manerana an'i Afrika ho fanohanana an'ireo bilaogera sy mpanao gazety sivy nosamborina tamin'ny volana Aprily lasa teo ary migadra ao Etiopia amin'izao fotoana izao.
Mbola Mikasa Hanao Fampisehoana Hoan'ilay Mpanao Didy Jadona Gambiana, Yahya Jammehi Erykah Badu
Nanjary lasibatry ny tsikera indray ilay mpihira vehivavy Amerikana Erykah Badu noho ny fampisehoana kasainy atao hoan'ny filoha Yahya Jammeh ao Gambia, vao tsy ela akory izy izay no nahazo tsikera tamin'ny fampisehoana nataony hoan'ny Mpanjaka Mswati III ao Swaziland tamin'ny fankalazana ny tsingerintaona faha-46 nahaterahany.
Reny Nidaroka An-Janany, Lahatsary Niparitaka Be Tao Trinidad & Tobago
Lasa niparitka be tao Trinidad sy Tobago ny lahatsary iray mampiseho ny fomba fanasazian'ny reny ho fifehezany ny zanany, rehefa nalefa tao amin'ny Facebook ka nolazaina fa ho anatra sy lesona ho an'ny ankizy
India : Namono Olona 32 Ny Separatista, Mandositra Ny Miozolomana
Nipoaka tao amin'ny firenena Indiana avaratra-atsinanana ao Assam ny herisetra ara-poko, ka mponina Miozolomana 32 tao an-tanàna no namoy ny ainy ary nitarika ny fiàlan'ireo miozolomana tao amin'ny faritra izany.
Notanan'i Shina Ilay Mpisolovava Rehefa Avy Nanatrika Fivoriana Tao Tiananmen
Tsy sambany fanagadrana an'i Pu Zhiqiang izao. Amin'ny maha-mpitsikera mivantambantana azy amin'ny politikan'ny governemanta Shinoa, arahin'ny mpitandro ny filaminana maso akaiky izy.
Syria: Fikarakaràn'ny Homs Sakafo Anaty Fahirano
Miainga amin'ny bozaka maniry eny amoron-dàlana ka hatramin'ny sokatra, vorona ary bibikely, tongan-dry zareo Homs amin'ny haavo hafa mihitsy ny làzan-dry zareo amin'ny fahaiza-mamorona sy ny tsy fakàna sarotra amin'ny fiainana.
Pakistane Bilaogera Tsy Afa-Mamindra Saingy Manaitra Fanahy Ny Hafa Mba Hihazakazaka
Tsy navelan'i Sarmad Tariq velively hanakana azy tsy hivezivezy manerana izao tontolo izao ny fahalemena nanjo azy, haka ny toeran'ny mpikabary mampihetsi-po sy atleta mpamporisika. Nodimandry teo amin'ny faha-38 taonany izy ny 30 Aprily teo tao Pakistana.
Taombaovao Tao Bangladesh Nisehoan'ny LGBT Tamin'ny Lokon'ny Avana
Hoan'ireo miozolomana maro an'isa ao Bangladesh, sokajiana ho tsy azo ekena ara-piarahamonina sy ara-pivavahana ny fahapelahana. Tsy ara-dalàna ny fahapelahana, araka ny voalazan'ny fehezan-dalàna famaizana ao amin'ny firenena.