Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2013
Nahoana No Any Am-ponja i Sonia Garro, ilay Kiobàna Mpanohitra ?
Mpikambana ao amin'ny mpanohitra "Damas de Blanco", fikambanan'ny vehivavy mpanoro hevitra ho an'ny fanafahana ireo gadra politika any Kiobà i Garro.
Nofoanana Ny Fitsidihana Ireo Gadra Saodiana, Nosamborina Ireo Fianakaviana
Tsy vitan'ny nosakanana tsy hitsidika ireo gadra Saodiana ireo fianakaviany nandritra ny fetin'ny Eid Al Adha , fa nosamborina ihany koa raha nikarakara sit-in mba hahitana ireo havana malalany.
Mankalaza Ny Faha-efa Taonan'ny Fikambanana Mpiaro Ny Zon'Olombelona Ny Saodiana
Manamarika ny faha-efa-taona nijoroany ny fikambanana Saodiana miaro ny zo sivily sy politika (ACPRA). Mankalaza ny zava-bitany ireo mpiserasera Saodiana.
Tsy noraharahian'ny Media Ireo Mpamboly Sy Sembana Nibodo Ny Gara Fiaran-dalamby Tao Mumbai
Nampiteraka fitohanana tao amin'ny toby fiantsonan'ny fiaran-dalamby ireo vondrona, tsy mba notaterin'ireo fampahalalam-baovao sy media sosialy izany tranga izany.
1.300 Andro Nanaovana Fihetsiketsehana Ho An'ireo Baloch Nanjavona Tao Pakistan
Tao Baloutchistan, izay namoizan'ain'olona an'arivony sy olona tsy hita marobe nandritra ny tolona nataon'ireo separatista zato taona lasa izay, Manao fihetsiketsehana ao amin'ny toby ho an'ireo lasibatra ilay mpikatroka Abdul Qadeer Baloch.
Matahotra Amin'ny Fisian'ny Herisetra Ara-nofo Ao Amin'ny “Action Hero” Ireo Vehivavy Ao India
Natokana hiadiana amin'ny tahotra eo amin'ireo vehivavy Indiana marobe ao an-tanàndehibe ny lalao noho ireo herisetra ara-nofo.
Nitsidika Ny Toeram-Pampijalian'Ny Nosy Dawson Ny Tafika An-Dranomasina Shiliana Sy Ireo Mpiaro Ny Zon'olombelona
Nitsidika ny nosy Dawson ireo mpikambana maherin'ny 40 avy amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny fianakaviany nandritra ny hetsi-pahatsiarovana manamarika ny faha-40 taonan'ny fanonganam-panjakana ara-miaramila Shiliana tamin'ny taona 1973.
Bilaogy Anarivony Miresaka Zon'Olombelona Ao Amin'ny “Blog Action Day”
Asongadin'ireo Bilaogera manerana ny tany, isan'ireny ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, ny lohahevitry ny #BAD13 amin'ity taona ity : ny Zon'Olombelona.
Nodimandry Ilay Zaza Nipoiran'ny ‘Babylution’ Tao Bosnia
Nodimandry tao amin'ny hopitaly iray tao Alemana i Belmina Ibrišević, zaza vao fito volana monja. Ny tsy nahavitàn'ny famoahan'i Bosnia lalàna manokana mikasika ny Pasipaoro no nahatara ny fitsaboana azy
Tafatafa Niarahana Tamin'ilay Tompon-dakan'ny Ady Totohondry Tao Ginea Lasa Belza Mpanao Politika
Tsy moramora mihitsy ny fampivadiana ny tontolon'ny fanatanjahantena avo lenta sy ny poliika. Mbola sarotra kokoa noho izany rehefa firenena roa samy hafa no voakasika. Manazava ny zotrany mendrika ho deraina i Bea Diallo.