Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Septambra, 2012
Bahrain: Nifanjevo Ny Tao Amin'ny Fitsarana Noho Ny Fanalavana Ny Fitazonana Ireo Ankizy Roa Tsy Ampy Taona
Nohalavain’ilay mpitsara Bahrainita fito andro ny fitazonana ireo zaza tsy ampy taona 12 sy 13 taona ao amin’ny “Ivon-toeram-piarovana ny Zaza tsy ampy taona” noho ny fiampangana azy ireo ho...
Vehivavy Iraniana – Miteny ‘Tsia’ Amin'ny Fanerena Hirako-boaly Hijabs Hatramin'ny 1979
Maherin'ny 26.000 ireo olona nanatevin-daharana ny fanentanana iray tao amin'ny Facebook nataon'ny mpianatra Iraniana nangataka ny hampitsaharana ny fanerena ny firakofana voaly (hijabs) any Iran. Telopolo taona no efa nanoheran'ireo vehvavy Iraniana izany, saingy mbola mizaka hatrany ny antsojay ataon'ny mpitandro filaminana eny imasom-bahoaka hatrany izy ireo.
Philippines: Sary Nesorina Tao Amin'ny Facebook Hanamarihana Ny Andro Iraisampirenena Ho An'ireo Tsy Hita Nanjavonana
Nanaisotra ny sary teo amin'ny mombamomba azy daholo ireo mpikirakira Facebook tao Philippines tamin'ny 30 Aogositra lasa teo ho fangatahana ny rariny ho an'ireo tratry ny fanjavonana an-terisetra.