Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jolay, 2012

20 Jolay 2012

Tontolo Arabo: Ny Feon'ireo Sembana

Nisy ny fanentanana antserasera nalefa vao haingana teo amin'ny tontolo Arabo mba hampahafantatra bebe kokoa ny tolona ataon'ny olona sembana ho fiarovana ny zony. Nanambara i Abdallah AlShalaqi, mpitolona ao Arabia Saodita, sy tompo-kevitra tamin'ny fanentanana fa nandritra ny resadresaka tamin'ny fahitalavitra izay mikendry ny hanaitra ny  sain'ny tontolo Arabo mikasika ny zon'ny olona sembana,...

Sodàna: Nokendrena Manokana Ny Vehivavy #SudanRevolts

Miditra ao amin'ny volana faharoa ankehitriny ny fihetsiketsehana ataon’ireo vahoaka Sodaney marobe manohitra ny fitondrana. Manohy ny famaizana mahery vaika ireo mpanao fihetsiketsehana   kosa etsy andaniny ny governemanta sy ny  Sampan-draharaha malaza misahana ny Fitsikilovana sy ny Fiarovana (NISS). Mpikatroka Sodaney an’arivony no mbola notanana, anisan’izany ilay  mpisera Twitter mavitrika...

Lahatsary: Internet Society Miresaka Ny Fahalalahana Miteny Sy Ny Sivana Iraisam-pirenena Eny Anivon'ny Aterineto

Handresy manoloana ireo fitaovana fanaraha-maso vaovao ve ny teknolojian'ny tsy fitononana anarana? Ary hampiroborobo ny demaokrasia va re ny teknolojia finday - sa hitarika bebe kokoa ho any amin'ny fihazàna sy fanaraha-maso misimisy kokoa? Resadresaka iray teo Washington, DC ny 25 Jona 2012 niarahana taminà mafàna fo 6 avy any...

19 Jolay 2012

Syria/Torkia: Manao Fihetsiketsehana Noho Ny Tsy Fahampian-drano Ao Amin'ny Tobin'i Kilis Ireo Syriana Tsy Manan-kialofana

Nanao fihetsiketsehana nanohitra ny tsy fahampian-drano ireo tsy manan-kialofana Syriana ao amin'ny Tobin'ireo Tsy Manan-kialofana ao Kilis, any amin'ny sisin-tany Syriana sy Tiorka. Polisy miisa efatra sy tsy manan-kialofana miisa telo no voalaza fa naratra.

Tonizia: Tambazotra An-tserasera Hanarahana Maso Ny Fanararaotana Diso Tafahoatra Ataon'ny Mpitandro Filaminana

Ny Yezzi dia tambajotra an-tserasera ahafahana maneho firaisan-kina eo amin'ny filazana vaovao na fanaovana tatitra mikasika ny fanararaotan'ny mpitandro filaminana sy ny fanaovan'izy ireo fomba ratsy. Nandritry ny taona maro, tsy nisy nahatsikaritra - ary tsy voasazy ny kolikoly aton'ny mpitandro filaminana ao Tonizia. Miresaka momba izany fomba ratsy izany...

Kenya: Mau Mau Mpiady Ho Amin'ny Fahafahana Mitondra Ny Raharaha Eny Amin'ny Fitsaràna Britanika

Mau Mau telo fahiny mpiady ho amin'ny fahafahana no nitondra ny governemanta Britanika hiatrika ny Fitsarana Ambony ao Londona mitaky fifonana sy onitra noho ny habibiana nozakain-dry zareo nandritra ny fitonfdràna fanandevozan'ny Britanika an'i Kenya. Miraradraraka ireo bitsika mikasika ilay raharaha ho fanohanana ny tolona fikatsahan-dry zareo ny rariny. Mibitsika...

Espaina : Solombavam-Bahoaka Niteny Ratsy Ireo Tsy An'Asa An-Tapitrisa

Eo am-pivorian'ny solombavam-bahoaka, Andrea Fabra dia nihiakiaka narahan'ny tehaka "¡qué se jodan!" (' 'asaivo mandeha mi.... any ry zareo !) tamin'ireo tsy an'asa espaniola an-tapitrisa tao aorian'ny nanambaràn'ny filohan'ny governemanta Mariano rajoy ny fepetra henjana mahakasika ny fanampiana sosialy ho an'ny tsy an'asa teo amin'ny tantaran'ny demokrasia espaniola.

17 Jolay 2012

Sodàna: Bilaogera Mitantara Ny Famotorana Natao Azy Nandritra Ny Telo Andro

 Nosoritan’ ilay bilaogera Sodaney Maha Elsanosi  mazava tsara ny famotorana natao azy izay naharitra telo andro tao amin'ny Sampan-draharaha nasionaly misahana ny Fitsikilovana sy ny Fiarovana (NISS), taorian'ny fisamborana azy tao Sodàna. Tao amin'ny lahatsoratra izay tokony hovakiana, Maha, izay tsy iza fa mpanoratra Sodàna ato amin'ny Global Voices ihany, nitantara toy izao: Nandritra...

Iran: Zazavavy Kely 13 Taona Ve No Atahoran'ny Fitondràna?

Tsy ela akory izay dia niteraka fisavoritahan-tsaina ny fitsaràna iray momba ny filaminana tamin'ny nanakànany ny fivahinianana any ivelany ho an'ny zanaka vaviny 13 taona, Mehraveh Khandan sy ny vadin'i Nasrin Sotoudeh, mpisolovava mpiaro zon'olombelona mbola any amponja. Nasrin Stoudeh dia voaheloka hifonja 11 taona an-tranomaizina.

16 Jolay 2012

Shina: Miparitaka Ny Adihevitra ‘Tsy Fahafahana Ny Fanaovana Sesitany’

Namerina nanokatra adihevitra momba ireo mpomba sy mpanohitra ny fanaovana sesitany i Chen Guangcheng. Ho very ve ny fanohanana an'i Chen sy ny fahefany raha mandao an'i Shina izy? Ary hamela azy hiverina an-tanindrazana ve ny governemanta Shinoa taorian'ny fifampikasohany tamin'i Etazonia?