· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Avrily, 2012

Iran: Mamadika Ny Pejin'ny Fanavakavaham-bolokoditra Atao Amin'ny Afgana

Naneho ny fahasorenany ny mpamahana bolongana raha nandre fa noraràn'ny manampahefana tsy hiditra ao amin'ny toera-pitsangatsanganana ny Afgana monina ao Ispahan, ao Iran nandritra ny fankalazana ny faha-13 andron'ny taombaovao  Nowruz  tamin'ny 1 Aprily 2012. Mahazatra ny olona ny mandeha mivoaka mitsangatsangana hanamarihana izany andro izany. Na dia nandà aza ny manampahefana iray...

Syria: Voasambotra tany Damasy i Safana Baqleh, ilay “Harpan'ny Fahafahana”

Rehefa voasambotra i Rima Dali ny 9 Aprily noho ny fihazonany sora-baventy mirakitra ny teny "Aoka izay ny famonoana. Te-hanangana firenena iray ho an'ny Siriana rehetra izahay", dia ny mpitendry zava-maneno Safana Baqleh no olona voalohany indrindra nihazakazaka hiaro azy sy niezaka hanakana ny mpitandro filaminana haka azy iaraka amin'izy ireo. Voasambotra ihany koa izy noho izany fikasana izany.

Bangladesh: Mampahonena ny Zavamisy Iainan'ireo Foko Vazimba Teratany

  14 Avrily 2012

Ahitana foko teratany 45 (les Adivasis) ao Bangladesh. Monina ao amin'ny tanàna kelin'ny Chittagong Hill Tracts ny iraikambinifolo amin'izy ireo, raha toa kosa ka miely manerana ny firenena ny hafa. Betsaka amin'izy ireo no tsy salama ary iharan'ny fanavakavaham-bolokoditra, fanararaotana ary fampijaliana isan'andro ny sasany amin'izy ireo. Tao anatin'ny fanadihadiana notontosain'ny Fondation Kapeng et Oxfam (Fikambanana...

Mali: Mangina Tanteraka Ny Serasera Ao An-toerana

  10 Avrily 2012

Tototry ny bilaogy, tweet, sy lahatsary avy any ivelany ny tontolon'ny aterineto, somary mangingina kosa ny mpiserasera maliana. Satria iharan'ny fahatapahan-jiro lava matetika ny renivohitra Bamako kanefa tsy misy ny lasantsy tokony hampadehanana ny tobim-pamatsiana herinaratra. Tsy ny fandefasana lahatsoratra arak'izany no vaindoha-draharaha fa ny ahitana vaovao momba ny zava-mitranga ao Avaratra.

Sahiran-tsaina Izao Tontolo Izao Noho Ny Zava-mihatra Amin'ilay Mpikatroka Bahrainita

Naneho ny ahiahiny ny mpiserasera manerana izao tontolo izao manoloana ny tsy fanajana ny zon'olombelona izay mihatra amin'ilay mpitolona Bahrainita Abdulhadi Alkhawaja. Sazy an-tranomaizina mandrampahafaty no didy navoakan'ny manampahefana ao Barhein ho azy tamin'ny taon-dasa, ka nitokona tsy hihinankanina izy noho izany nanomboka ny 8 Febroary 2012 mba hanaovana fanairana noho ny fanagadrana az

Etazonia : “Izaho no Trayvon Martin”

  08 Avrily 2012

Ny 26 Febroary 2012, George Zimmerman,'Mpanara-maso An-tsitrapo misoroka ny mety hisian'ny Heloka Be vava’ iray ao Sanford Florida, Etazonia, dia nitifitra ary nahafaty an'i Trayvon Martin izay vao 17 taona raha toa ity farany ka iny nivoaka ny mpivarotra iray iny avy nividy vatomamy. George Zimmerman moa dia niaiky teo...