Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2012

23 Marsa 2012

Tontolo Arabo: Tratry ny Fetin'ny Vehivavy – Fahatsiarovana Ireo Reny Maritiora

Manamarika ny andron'ny fetin'ny reny ny tontolo Arabo androany, 21 Martsa. Ao amin'ny tranonkala tambajotra-tsosialy, nandefa fiarahabana ho an'ny reniny ireo mpiserasera androany tontolo andro. Nahatsiaro ireo reny an'arivony maty novonoin'ny manam-pahefana nandritra ny hetsi-panoherana ny didy jadona, izay antsoina hoe Lohataona Arabo ihany koa izy ireo. Avy any Bahrein, Sayed...

21 Marsa 2012

Ejipta: Iadian-kevitra Ao Amin'ny Antenimiera Ny Zon'ny Vehivavy Afaka Misara-panambadiana

Miteraka adihevitra ao amin'ny tranokala tambazotra sosialy hatrany ny fandehan'ny asan'ny solombavambahoaka vaovao Ejipsiana. Toa mampiseho fa dingana mankany amin'ny demokrasia ny fisian'ireo parlemantera vaovao ireo. Na dia izany aza, manohy miadihevitra momba ny olana tsy mifandraika amin'ny filàna maika eo amin'ny firenena ireo parlemanta – toy ny fangatahana handrara ny...

20 Marsa 2012

Torkia: Mbola Migidraka Amin'ny Kiorda Mankalaza Newroz Ihany Ny Polisy

Ny vahoaka Kiorda no foko maro an'isa indrindra any Torkia, fa mandrafitra ny 20 isan-jaton'ny mponina, izay manakaiky ny 20 arivoarivo izany. Tratran'ny fanavakavahana avy amin'ny fanjakana izy ireo ary itsakitsahana ny zony. Androany, tao Yuksekova, izay distrika any amin'ny faritany Tiorka antsoina hoe Hakkari, dia notafihana noho ny fivborivoriana...

19 Marsa 2012

Torkia: Notafihan'ny Polisy Ny Kiorda Nandritra ny Fankalazany ny Newroz

Kiorda an'arivony no nidina an-dalambe mba hankalaza ny Newroz,  hetsika izay efa nomanina mialoha, kanefa naparitaky ny polisy tamin'ny alalan'ny basirano, sy baomba mandatsa-dranomaso indray androany ny manerana an'i Torkia. Na dia eo aza ny herisetra hatrehin'izy ireo ao Diyar Bakir, manohy ny diany mankany any amin'ny kianja tokony hanaovana ny...

Kiobà: Mamaly Ny Ataon'ny Arseveka ny Mpibilaogy

Tonga eo amin'ny dingana mangotraka momba ny  asam-pamoretana ara-pivavahana sy ara-politika mitranga ny mpibilaogy nefa tsy mbola tonga akory ny papa. Ny mampiady hevitra hevitra farany moa dia mampanahy tokoa ny mpibilaogy, tahaka ny fangatahana hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny fiangonana avy amin'ny Kardinaly Jaime Ortega, Arsevekan'i Havana, izay “milazalaza ny fibodoana...

Yemen: Mahatsiaro ny Zoman'ny Fahamendrehana

Taona iray lasa izay, nanodidina ny olona 52 no maty, nanakaiky ny 100 no voalaza fa naratra tao Sanaa. Mahatsiaro ny andron'ny 18 Martsa ireo mpiondana aterineto, kihon-dàlana iray teo amin'ny revolisiona tao Yemen, izay nahatonga olona marobe, olom-panjakana, diplaomaty, ary miaramila niala an-daharana ka nanatevina ireo mpanao hetsi-panoherana.

18 Marsa 2012

Maraoka: Fitorevahana Nokarakaraina Hisarihana Ny Saina Mikasika Ny Zava-manjo Ireo Niharan'ny Fanolanana

Nanao fitorevahana ry zareo Maraokana omaly (17 Martsa) ho fanoherana ny lahatra nozakain'i Amina Filali, 16 taona, izay namono tena taorian'ny nanerena azy hanambady ilay lehilahy nanolana azy. Neken'ny mpitsara ny fanambadian'i Amina sy ilay mpanolana azy. Niteraka tafiotram-panehoan-kevitra ny famonoany tea, tenyanivon'ny media sosialy sy teny an-kianja

RD an'i Congo: Lahatsary Nanampy Handetehana An'i Thomas Lubanga Aminà Heloka An'ady

Ny 14 Martsa 2012 ny Fitsaràna Iraisampirenena Momba ny Heloka Bevava dia nahatratra an'i Thomas Lubanga, mpitarika mpihoko fahiny tao atsinanan'i Congo, voaheloka ho nampiasa ankizy tamin'ny ady mitam-piadiana. Nolazain'ny mpitsara fa ny fanadihadiana natao tamin'ny alalan'ny lahatsary an'ireo ankizy miaramila fahiny dia tonga ampaham-porofo nanampy tamin'ny fandresena lahatra ny...

Etiopia/Libanona : Hatezerana Noho Ny Fahafatesanà Mpanampy An-trano iray Nivadika Ho Fientanana

Namono tena i Alem Dechasa, ilay vehivavy hita tanaty lahatsary nalaina tamin'ny finday niparitaka tety anaty aterineto, nodarohana sy notaritarihana amin-kery hiditra anaty fiara iray teo anatrehan'ireo mpitazam-potsiny teo ivelan'ny Kaonsily Etiopiana ao Beirut, Libanona.. Niteraka hatezerana mafy teo amin'ireo Etiopiana mpiondana aterineto ilay lahatsary. Taorian'ny nahafatesany, ireo mpiondana aterineto...

Makedonia: Diabe Ho An'ny Fandriampahalemana Nokarakaraina Hatao Ny Sabotsy 17 Martsa

Nikarakara Diabe Ho An'ny Fandriampahalemana tamin'ity Sabotsy (17 Martsa) ity ireo vahoaka avy amin'ny foko maro ao Makedonia ho toy ny fanehoana ny ahiahin'izy ireo fa hoe ireo heloka bevava atosiky ny fankahalàna tato ho ato dia fambara ratsin'ny ady an-trano. Filip Stojanovski no mitatitra.