· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2011

Fetiben'ny Bilaogy: Meksika – Vahoaka, Herisetra ary Bilaogy

  09 Aogositra 2011

Ny Global Voices amin'ny teny Espaniola dia faly manolotra ny andiany vaova amin'ny Fetin'ny Bilaoginy, izay hifantoka amin'ireo mpitoraka bilaogy sy Aterineto avy any Meksika, manaraka ny lohahevitra "Meksika: Vahoaka, Herisetra ary Bilaogy." Jereo ny fomba, ny fotoana sy ny toerana ahafahanao mandray anjara na meteza ho tarihan'ity lahatsoratra ity.

Togo : Miampànga Ny Fanitsakitsahana Ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Ireo Togole Mpanao Gazety

  08 Aogositra 2011

Nivelively ny rarivato natao ho làlana ireo togole mpanao gazety tamin'ny Sabotsy 06 Aogositra mba hanoherana ny fandrahonana ho faty mahazo ny sasany amin'ny naman'izy ireo. Tamin'ny Alarobia 03 Aogositra no nalefan'ny fikambanana "SOS Journaliste en danger"(Vonjeo ny mpanao gazety fa tandindonin-doza) ny antso, tao Lomé. Ireny fandrahonana ireny dia avy amin'ny Masoivohom-pitsikilovanam-pirenena na "Agence nationale de renseignement (ANR)" ary drafitra ikendrena mihitsy ny «hanohintohinana ara-batana ireo mpanao gazety, indrindra amin'ny famoronana loza sarintsariny, ny fanapoizinana, ary ny famoronana antontan-taratasy isan-karazany etsy sy eroa». Sylvio Chombey no manazava:

Indonezia: Manavao Ny Tetika Hifehezana Ireo Media Sosialy Ny Minisitra

  07 Aogositra 2011

Tifatul Sembiring, Ministry ny IT sy ny Fifandraisana any Indonezia, izay tsy dia ankasitrahan'ny olona loatra, dia nilaza fa tokony ho matotra ny fifehezana ny vohikala media sosialy tahaka ny Twitter sy Facebook satria azo ampiasaina hanakorontanam-panjakàna. Niteraka resa-be ny fanambaràny, indrindra teo anivon'ireo mpampiasa aterineto.

Taratasy Iray Avy Ao Shina Ho An'ilay Norveziana Mpamono Olona

  06 Aogositra 2011

Maro ireo mponina ao Shina no tsy mahazo ny zava-doza nataon'i Anders Behring Breivik tao Norvezy. Saingy kosa tsy dia miraharaha ny antony nanosika azy sy ny foto-kevitra nijoroan'i Breivik. Eo imason'izy ireo, Norvezy dia paradisa, any ny olona no miaina amin'ny fahafaha-mividy ambony ary tsy mila ny hiatrika ny fahasahiranana ara-pivelomana. Ahoana no mahatonga izany?

Syria: Afaka Misoroka Famonoana Ve Ny Bitsika?

Taorian'ny andro ratsin'ny herisetra hitan'i Siria hatramin'ny nipoahan'ireo hetsi-panoherana nanerana ny firenena tamin'ny Febroary, nanomboka ezaka hisarihana ny sain'izao tontolo izao amin'ny zava-mitranga ao amin'ny firenena ireo Siriana mpanohitra sy ny mpanohana azy erak'izao tontolo izao, mampiasa ny tenifototra iray, #RamadanMassacre, izay natomboka ny Alahady teo mba hanarahana ireo tatitra avy any amin'ny tanànan'i Hama.