· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2011

Libia: Any Benghazi daholo ny maso (Lahatsary)

Benghazi tanàna faharoa lehibe indrindra eo amin'ny firenena no foibe politika sy fanahy mpikomin'ny hetsika manohitra ny Kolonely mpanao didy jadona Libiana Muammar Al Gaddafi. Miaraka amin'ireo hery ara-tafiky ny mpikomy izay voadoana mafy ihany tamin'ny fanafihan'ireo herin'i Gaddafi, na izany aza, mety ho lasa toerana famaharana farany ho an'ny fahafahan'ny Libiana i Benghazi.

Bahrain: Fanafihana mahery vaika!

Naparitaka androany maraina (16 marsa) ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny fiodidinan'i Pearl ao Bahrain(Lulu), miaramila sy polisy no nanao fanafihana mahery vaika tamin'izy ireo. Nitatitra ny Mpiserasera fa nitifitra tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso sy tamin'ny basy tamin’ ireo mpanao fihetsiketsehana ny fiara mifono vy, ny angidi-by ary ny miaramila mandeha an-tongotra, ary...

Panama: Mpanao gazety voaroaka

  16 Marsa 2011

Noroahana ilay mpanao gazety Espaniola Paco Gómez Nadal rehefa avy notazonina tamin'ny faha 26 Febroary nandritry ny hetsi-panoherana nataon'ny mponina zanatany mikasika ny fanavaozan-dalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany ao Panama. Na teo aza ny fanomezan-toky nataon'ny filoha Ricardo Martinelli hanafoana ilay fanavaozana ny fehezan-dalàna faha 8 mifehy ny harena an-kibon'ny tany, dia nampahatsiahy anay ny Panameana sasany fa tsy mbola voavaha ny olan'ilay mpanao gazety noroahana.

Côte d'Ivoire: Facebook sy Twitter, Mpitondra ny hafatr’ Ifahafatesana

  16 Marsa 2011

Niharatsy haingana dia haingana [fr]ny toe-draharaha politika any Cote d'Ivoire ifanandrinan'ny mpitarika roa tonta, Laurent Gbagbo sy Alassane Ouattara – samy milaza ho nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny Desambra. Raha hita mbola sahirana mifantoka amina krizy mihoatra ny iray ny haino aman-jery iraisampirenena amin'ity tadio politika any amin'ny faritra Afovoany...

Azerbaijan: Maro Ny Fihetsiketsehana, Maro Koa Ny Fisamborana…

  13 Marsa 2011

Taorian'ny hetsi-panoherana nataon'ireo tanora mafàna fo omaly tao Baku, renivohitr'i Azerbaijan, nanao ny azy koa androany ireo mpanohana ny antoko mpanohitr'i Musavat. Nalaina tahaka ihany koa tamin'ny hetsiky ny mpandàla ny demaokrasia tany Ejipta sy Tonizia, tsy tena goavana toy ireny ilay hetsika fa raha ny vivavina dia vitsivitsy ka hatramin'ny anjatonjatony eo ny olona tao, saingy nafonja ihany ilay izy.