· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Avrily, 2008

Sri Lanka: Atsaharo ny fanenjehana mpanao gazety

  12 Avrily 2008

International Federation of Journalists (IFJ) Federasiona Iraisam-pirenen’ny Mpanao gazety, fikambanana iray milofo amin’ny fiarovana sy fanamafisana ny zo sy fahalalahan’ny mpanao gazety dia miantso mba hanaovana ny 10 Aprily ho Andro Iraisam-be, ampitondraina ny teny faneva hoe “Atsaharo ny fanenjehana ny Mpanao gazety eto Sri Lanka“. IFJ dia miantso ireo...

Jamaika, Shina: Ny politikan'ny fanatanjahantena

  11 Avrily 2008

“Inona moa no lazainy momba antsika raha ataontsika ho faralahim-pahamehana ny zon'olombelona fa zarantsika aza mijery fandaharana amin'ny fahitalavitra mandritra ny roa herinandro? Raha tsy fantatrao izay ataon'i Shina any Tibet dia tsy mametraka antsika ho tompon'andraikitra mihitsy ve izany?”: Nifantoka tamin'ny politikan'ny lalao olaimpika ho avy io ny resak'ilay...

Egypta:Mpitoraka blaogy miatrika vava-ady

  10 Avrily 2008

Nihazakazaka niaraka tamin’ny famantaranora (famantaranandro) ny mpitoraka blaogy Egyptiana nampita ho an’izao tontolo izao ny fitroatr’ireo mpiasa izay niantraika tamin’ny firenena manontolo, toy ireo an’arivony nitangorona nanoloana ny Al Mahalla orinasa fanenonan-damba, nangataka ny hanamboarana ny karamany ho tsaratsara kokoa sady nanohitra ny fisondrotry ny vidim-piainana. Isan’ny voalohany koa niaraka...

Eoropa: OTAN

  10 Avrily 2008

Greater Surbiton no manoratra momba ny fifandraisan'ny OTAN sy Rosia: “Raha tsy sahy mifanandrina amin'i Rosia akory ny vondrokerin'ny OTAN, dia mampanontany tena ihany hoe inona moa izany no tena ilàna ny OTAN?” Ary miresaka amin'ny fifandraisan'i Gresy amin'i Makedonia ao amin'ny OTAN ihany koa izy: “Mpikambana bitika tao amin'ny...

Kiobà: Shina – Tibet, fanehoan-kevitra

  09 Avrily 2008

“Araka izay efa mety ho renao, dia nahomby ny fanembatsembanana nataon'ny mpilahatra an-dalambe, miantso ny Shina Komonista hanaja ny zon'olombelona sy hiala an'i Tibet, nandritra ny fampitana ny afo olaimpika tany amin'ireo tanàna Eoropeana lehibe.” : Nifantoka tamin'ny fanehoan-kevitry Kiobà ny Zanaky ny Revolisiona (Child of the Revolution).

Shina: Eritreritry ny Moanina Tibetana iray

  09 Avrily 2008

Nitatitra indray mandeha ny lahatsoratra nosoratana Moanina Tibetana iray mikasika ny raharaha tamin'ny 14 marsa lasa teo i Woser. Nokianiny avokoa na ny fihetsiketsehana miharo herisetra na ny fanamelohana nataon'ny governemanta Shinoa ny Dalai Lama [zh] ka nahavery ny marina (mody tsy ilazana hoe nanolana ny marina).

Eoropa atsimo atsinanana, Rosia: Ady, Fandriampahalemana ary tantara ifampizarana

  07 Avrily 2008

Vladikavkaz renivohitry Ossetia Avaratra any Rosia, nametraka a baoritra kisarintsoratra amin'ny teny Rosiana izay ho sarotra tanterahina any Kaokazy avaratra ny mpampiasa ny LJ alan-tskhurbaev:   Kosovo is Serbia! Kosovo an'i Serbia! Raha mitaha amin'i Ossetia atsimo faritra miendaka amin'i Georgia, izay iheveran'ny mpitarika ao fa fanombohan-javatra iny fahaleovantenan'i Kosovo...

Bolgaria: Manohitra ny “Fanelingelenana” ny Internet

  03 Avrily 2008

Ny 30 janoary. . Ny andrimpanjakana milaza fa fampiharana izay voalazan'ny Directive 2006/24/EC izy io, raha fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny tsirairay kosa ho an'ny maro an'isa mampiasa internet any Bolgaria. Ny hetsika sivily Electronic Frontier dia namoaka fanangonan-tsonia (petition) (BUL) tamin'ny internet hanoherana ilay didy, olona efa maherin'ny 1150 sahady no...

Jamaika: endri-panavakavahambolonkoditra

  02 Avrily 2008

Manasa ny mpihaino handanjalanja ny Ragashanti, fandaharana fiadian-kevitra malaza iray, rehefa hanaovana lohahevitra ny Karàna any Jamaika – sady nampisendaotra rahateo ny ompampanavakavahana nisesy. Noraisin’ny mamaham-bolongana Annie Paul ho adidy ny miresaka azy ity “ fa toa mikendry ny isian’ny sivana (izay nitranga) raha tsy hoe entina hanenjehana ny (fandaharana)...

Cuba: afa-miditra hoe?

  02 Avrily 2008

“Eny ry zalahy sy ry zavavy, afaka ny miditra amin’izay trano fandraisam-bahiny tianareo idirana ianareo olom-pirenena tsotra eto amin’ny nosy Cuba, rehefa manam-bola vahiny matanjaka. Indrisy, izay indrindra no mandrangitra” hoy Ninety miles away….in another country,(90 maily avy eo…efa firenena hafa) raha ny (telozoro Kiobana) The Cuban Triangle indray no...