Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Zon'olombelona

05 Janoary 2019

Ejypta: Ahoana no ahafahantsika manampy an'i Gaza?

Manao hetsika ireo bilaogera Ejiptiana ho fanohanana an'i Gaza izay niharan'ny fanafihan'ny tafika Israeliana nandritra ny herinandro.

Ejypta: Mpanao gazety iray hafa voaroaka

Mba hanohizana ireo andiana fanorisorenana na fandroahana mpanao gazety any Ejipta, tahaka an'i Travis Randall, Philip Rizk sy Wael Abbas; dia notazonina tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo taorian'ny nahatongavany i Per Bjorklund, mpanao gazety Soedoà sady bilaogera. Nosakanan'ny polisy izy ary naverina tany Prague tsy misy fanazavana; nolazaina taminy fotsiny fa "ao anatin'ny solosaina...

04 Janoary 2019

Tantaran'ny mpinamana mamahana sakafo maraina mpianatra zazavavy 500 isan'andro ao Yemen mba hahafahan'ireo mianatra

Talohan'ny nisian'ny tetikasa dia tsy tonga nianatra ny ampahadimin'ny mpianatra, ankehitriny ry zareo niverina an-dakilasy avokoa.

Kroasia, Serbia : Sainan'ny fisakaizàna

Mba ho tandindon'ny fampihavanana ny firenena roa tonta dia namorona saina nampitambarana ny an'i Serbia sy Kroatia ny tanora roa avy amin'ireo firenena roa tonta ireo. Marobe ireo Serba sy Kroaty mpisera amin'ny aterineto no naneho hevitra tamin'io vaovao io, ny sasany manameloka, raha ny hafa kosa nankasitraka.

Brezila : Fiaramanidina iray nitondra indiana fito, nanjavona any anaty ala Amazon, fa tsy misy miresaka izany na iray aza

Natsahatra ny fikarohana nataon'ny tafika an'habakabaka Breziliàna rehefa tsy nahitàna vokany nandritra ny tapabolana. Tsy misy mpiresaka manerana ny firenena ilay raharaha.

03 Janoary 2019

Escola sem partido : volavolan-dalàna hanao “hazalambo” ireo mpampianatra ao Brezila

Mihevitra ny mpanohana azy fa tsy tokony hiteny ankoatra ny lohahevitra efa neken'ny fianakaviana mialoha ny mpampianatra. Raha ampiharina izany dia lasa mandrara ny lesona fanabeazana ara-pananahana na ny fanehoan-kevitra momba ny fanandevozana.

Bangladesh: Momba ny Zon'Olombelona sy ny Vahoaka Ivelan'ny Sisintany

Fehin'ny bilaogy tao Bangladesh tamin'ny Febroary 2008.

Mpanao gazety an-dahatsary indizeny sady mpikatroka novonoina tany India

Tsy nanan-tahotra nitatitra momba ny olana atrehin'ny vondrom-piarahamonina indizeny manerana an'i Jharkhand, India ilay mpitati-baovaon'ny vondrom-piarahamonina antsoina hoe Amit. Mbola tsy hita ireo namono azy roa herinandro taty aorian'ny famonoana.

02 Janoary 2019

Nanao fihetsiketsehana isak'alina ny Hongroà hanoherana ny rafi-pitsarana vaovao sy ilay antsoina hoe “Lalànan'ny Fanandevozana”

Nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny lapan'ny Parlemanta sy nanerana an'i Budapest ny Hongroà hatramin'ny nandanian'ny antoko elatra ankavanana an'i Viktor Orbán  ny volavolan-dalàna ahafahan'ireo mpampiasa mitaky asa fanampiny 400 ora isan-taona amin'ny mpiasa sy volavolan-dalàna mety hanamora ny fitoriana iarahana amin'ireo mpitsara tsy mivadika amin'ny antokon'i Orbán.

31 Desambra 2018

India: Lavin'ny fitsarana ny fanalàna zaza noho ny antony ara-pahasalamàna

Milaza ny lalàna iray mikasika ny fanalana zaza ao India fa raha toa ka latsaky ny 20 herinandro ny fitondrana vohoka dia mbola azo atao izany, raha tsy hoe miantraika amin'ny ain'ilay reny. Izany indrindra no nanjo ireto mpivady izay nangataka ny alalan'ny fitsarana, kanefa nolavin'ity farany.