Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2024
Fafan'i Azerbaijan mialoha COP29 ireo mpitsikera
Manana ny iray amin'ireo firaketana iraisampirenena ambany indrindra momba ny zon'ny olom-pirenena sy ny fahalalahan'ny olom-pirenena i Azerbaijan ary nanizingizina ny filoha Aliyev fa voamarina ny fanenjehana ny fiarahamonim-pirenena.
Gaza : fitantaràna ady nahafatesana mpanao gazety betsaka indrindra
Ny fanafihan'i Israeliàna amin'izao fotoana izao no lasa ho ny fifandonana nahafatesana mpanao gazety betsaka indrindra voarakitra an-tsoratra hatreto.
Ho fandravana ny demôkrasia, nofoanan'ny fitsarana thailandey ny antoko mpanohitra voalohany
"Ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana dia tokony ho fikambanana miaro ny Lalàmpanorenana sy ny zo araka ny Lalàmpanorenana. Fa izao izy fikambanana manitatra ny fahefam-panjakana sy mametra ny zon’ny olona sy ny fahalalahan’izy ireo."
Ao Tiorkia, tafa an'arabe nandefasana olontsotra iray ho any am-ponja
Ny "faniratsiràna filoha" sy "fandrisihana fifankahalàna ary fifandrafesana eny anivon'ny vahoaka" no roa isan'ireo vesatra mahazatra anenjehan'ny governemanta ao Tiorkia ireo mpitsikera.
‘Tsy manana na inona na inona afa-tsy ny fonay sy ny sainay izahay’: Vietnamiana mpikatroka voaheloka higadra dimy taona
"Ny hany zavatra nataonay dia ny manao zavatra mifanaraka amin'ny feon'ny fieritreretanay, milaza ny eritreritray, ny fanirianay, ny hetahetanay."
Taorian'ny fahavitan'ny kaoferansan'ny SIDS4 tany Antigua & Barbuda, mitolona ny hihazonana ny satany ‘maningana’ ao amin'ny Firenena Mikambana ny ‘nosy madinika’
"Tsy izahay no nanangana ireo olana ireo fa tena manelingelina ny fivoaranay io... Na izany aza, ny SIDS no lohalaharana, ary iray amin'ireo vondrona marefo indrindra izahay."
Ampangaina ho manimbazimba ilay Belarosiana mpanao hatsikana mampitaha ny filohany amin'ny fody
Malaza ilay mpanao hatsikana amin'ny fanakianana mibaribary ny fitondrana Belarosiana sy ny mpitandro ny filaminana, indrindra taorian'ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2020.
Enjehina noho ny ‘fanakorontanam-bahoaka’ ireo mpikatroka mpomba ny demaokrasia any Zimbaboe
Nanameloka ny fanorisorenana, ny fandrahonana ary ny fanenjehana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny demôkrasia ireo ny Kofi Annan Foundation, ary mandrisika ny manampahefana hanaja ny paika ara-pitsarana.
Mpikarakara ny ‘Walk for Justice’ (Diabe ho an'ny Rariny), nametraka fitoriana pôlisy ao Malezia
"Tokony hatsahatry ny pôlisy izay rehetra tetikady mahery setra ary hajanony ny fanaovana lasibatra an'ireo mpanao hetsipanoherana am-pilaminana sy mpanakiana ny governemanta.."
Fitsipika fakana lisansa media sosialin'i Malayzia: fiarovana anjotra sa sivana?
"Tsy tokony voatery ny fahazoan-dalana sehatra media sosialy, tsirefesimandidy sy hametraka loza miantona amin'ny zo demôkratikantsika hitsikera na hanontany ny governemanta."