Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Mey, 2018

15 Mey 2018

Misioka momba ireo fomban-drazana miavaka ao Japana

Lohan-trondro, sahona mitsambikina sy fosa ara-panambadiana: kaonty Twitter iray mitantara ireo fomba nentim-paharazana, vakoka ao Japana

Reharehan'i Bangladesh Ny Nandefasan-dry Zareo Ny Zanabolany Voalohany Ho Eny Amin'ny Habakabaka

"Fametrahana feno fahombiazana ny Bangabandhu Satellite-1 eny amin'ny làlan-kizorany nataon'ny Falcon 9 Block 5 an'ny SpaceX. Toy izao angamba no fomba fiovàn'ny firenena iray, tena feno rehareha."

14 Mey 2018

Vanim-potoana vaovao ho an'i Malezia, resy tamin'ny fifidianana ny antoko nitondra nandritra ny enimpolo taona

"Tsy mpitondra antsika intsony ny Barisan Nasional . Ora vitsivitsy dia hanomboka hiposaka eny amin'ny faravodilanitra ny masoandro . Tena mampihetsi-po... ho hitantsika i Malezia vaovao hiarahaba antsika."

Japana: Ny Ady Atrehan'Ireo Mitondra Ny Otrikaretina VHC

Tsy zava-baovao ao Japàna intsony ny tantaran'ireo fanomezana rà maloto. Ny taona 1980, marary maro nanaraka fitsaboana mikasika ny tsy fahampian-drà no nahazo ny otrikaretina VIH vokatry ny rà maloto nampidirina taminy, nohon'ny tsy fahampian'ny fanarahamaso avy amin'ny governemanta sy ireo Orinasa fivarotampanafody mahakasika ny fanapahankevitra tany aloha noraisin'ny FDA...

06 Mey 2018

Palestina: Nataon'i Obama ho ambin-javatra

Satria mamarana ny fitetezana an'i Israely sy i Palestina ny kandida ho filoham-pirenena Amerikana mahabe fanantenana Barack Obama, nibahana tamin'ny fifantohan'ny Senatera an'i Israely ny lohatenin-gazety manerantany...ary tsy nahitana fifantohana tamin'ny tolon'i Palestina.

05 Mey 2018

Serbia: Bilaogera miresaka momba ny fisamborana an'i Radovan Karadžić

Andro vitsy monja taorian'ny fitsingerenan'ny faha 13 taonan'ny famonoana tao Srebrenica, izay olona maherin'ny 7.000 no namoy ny ainy, ary sivily Miozolomana ny ankamaroan'izy ireo, voasambotra i Radovan Karadzic, filoha teo aloha tao amin'ny Repoblika Srpska. Miresaka momba izany ireo bilaogera.

Balkana, Rosia: Voasambotra i Radovan Karadžić

Araka ny tatitra, voasambotra tao Serbia tamin'ny alin'ny Alatsinainy ny lehiben'ny Serba Bosniana teo aloha sady anisan'ny gadra nitsoaka karohana indrindra manerantany, Radovan Karadžić.