Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Janoary, 2016
Costa Rica : Lovan'ny Teny Anglisy, Tantaran'ny Teny, Tantaran'ny Fifindra-monina
Amin'ity fijoroana vavolombelona manokana manana fizarana roa ity, ity ny tantaran'ireo taranaka Kostarikana teratany Afrikana sy ny lovan'izy ireo, ny teny, ny Anglisy, izay zavatra hireharehan'izy ireo sy mariky ny maha-izy azy ireo.
Tsy Adin'ny Sionita Sy Ny Shiita Ny Fifandonana Ao Afovoany-Atsinanana, Ary Tsy Efa An'Arivo Taona Tany Aloha Akory
"Voazarazara ho sekta ve ilay faritra? Eny. Tena misy ve ny fahasamihafàna? Eny. Vokatry ny fifandirana ara-teolojia fahagola ve ny ady ankehitriny? Tsia," hoy i Iyad El-Baghdadi mibitsika momba ilay antsoina hoe hantsana eo amin'ny Sionita sy ny Shiita.
Ny Satan'i Porto Rico Eo Anoloan'ny Fitsaràna an-Tampon'i Etazonia
Hisy vokany amin'ny fifidianana ny toerana noraisin'ny Lehiben'ny fampanoavana ao Etazonia mikasika ny satan'i Porto-Rico tamin'ilay raharaha izay nomelohan'ny lalàna tsotra aloha, avy eo nihitatra ilay izy.
Japana Sy Korea Atsimo : Mahatezitra Ireo Akanga Sisa Nanamborana Ilay Fifanarahana Manantantara Momba Ireo “Vehivavy Fampiononana”
Noteren'ny tafi-panjakana Japoney ho amin'ny fanandevozana ara-pananahana ireo vehivavy manerana an'i Azia nandritra ny ady lehibe faharoa. Tsy niombona hevitra tamin'io fifanekena io ireo akanga sisa nanamborana sy ireo mpanao politika Japoney sasany avy ao amin'ny hery ankavanana.
Manampy an'i Brezila Hanangana Ny Fahatsiarovana Varotra Andevo Ny Tanora Amerikanina Iray Mpanao Maritanàna
Nopongarina vao haingana indray ny sisim-piantsonana nidiran'ny andevo tao Rio ary notendrena i Sara Zewde hanoritsoritra tsangambato amin'ny manodidina ity toerana nitrangan-javatra mampalahelo ity.
Fahatsiarovana Ireo Nanjavona Tao Orogoay Jerena Avy Amin'ny Mason'ny Mpakasary
Nandany 12 taona tany an-tsesitany i Juan Urruzola nandritry ny fitondràna jadona tao amin'ny fireneny. Nataony ho iraka tsy maintsy vitainy ny mampahatsiaro amin'ny alàlan'ny saripika ireo nanjavona nandritra io fitondràna io.