Tantara mikasika ny Hiper-barrio

Medellín, Colombia: La Receta

Rising Voices  09 Janoary 2018

Mampiseho azy ireo manazava ny 'zavatra ilaina' amin'ny fomba hanatsarana ny fifandraisana manerana ny tanàna amin'ny fampiasana fitaovana fampandraisana anjara toy ny bilaogy ny horonan-tsarin'ireo tanora mpandray anjara - izay novokarina tamin'ny fampiasana Windows Movie Maker an'ny Microsoft.

HiperBarrio: Tantara Ao An-toerana, Mpihaino Manerantany

Rising Voices  09 Janoary 2018

Araka ny efa nampanantenaina, ity no fizarana faharoa amin'ny podcast (fandraisam-peo) mizara roa momba an'i Medellín, Colombia sy ny fomba hanararaotan'ny tetikasa HiperBarrio ny tambajotra vaovaon'ny tranomboky ao an-tanàna mba hampianatra ny tanora sarangan'ny mpiasa avy ao amin'ny havoana faritra avaratra mikasika ny fahaizan'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.

HiperBarrio: Fanaovana Sarintany Avy Amin'ny Alalan'ny Balaonina Ny Manodidina An'i La Loma

Rising Voices  26 Oktobra 2011

Olona notohanan'ny Rising Voices fahiny tamin'ny HiperBarrio any Medellín, Kolombia no manohy ny fandraisan'anjarany amin'ny asan'ny media mirotsaka an-tsehatra ao amin'ny manodidina an'i La Loma. Ho fanabeazam-boho ny asa vitan'izy ireo tany aloha nandrakitra an-tsarintany ny vondrom-piarahamoniny niaraka tamin'ny Open Street Maps, ny tariky ny ConVerGentes dia nanapa-kevitra ny hitrandraka ny tontolon'ny fanaovana sarintany avy amin'ny alalan'ny balaonina.

Nahazo ny Mari-pankasitrahana Voalohany ho an'ny Fanaovan-gazetim-paritra ny HiperBarrio

Rising Voices  12 Desambra 2010

Ny HiperBarrio avy any Colombia no nahazo ny First Community Journalism Award in Municipality of Medellín by Antioquia University (Mari-pankasitrahana Voalohany ho an'ny Fanaovan-gazetim-paritra tao Medellin ary avy amin'ny Anjerimanontolon'i Antioquia) tamin'ny sokajy Sehatra Mendrika indrindra anaty Tranonkala raha samy Vondrom-piarahamonina. Asongadin'ny Anjerimanontolon'i Antioquia. Hahazo 6 tapitrisa pesos Kolombiana ihany koa ny HiperBarrio miaraka amin'ilay mari-pankasitrahana.