Tantara mikasika ny Hiper-barrio

Mozika sy dihy Porro any La Loma, Kolombia

Rising Voices  28 Jolay 2018

Catalina Restrepo avy ao amin'ny tetikasa HiperBarrio ao La Loma, tanànakely misy havoana any ambanivohitr'i Medellín, Kolombia, dia namokatra ity horonantsary ity hanehoana ny maha-zava-dehibe na mozika porro ao amin'ny vondrom-piarahamoniny.

Ny tarika Paniagua

Rising Voices  27 Jolay 2018

Zavatra iray ho tsikaritrao avy hatrany raha mitsidika ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra ao La Loma ao Medellín, Kolombia ianao dia saika manana anarana telo na efatra mitovy avokoa ny vondrom-piarahamonina iray manontolo . Ny iray amin'ireo mahazatra indrindra dia ny hoe "Paniagua" -  izay hazavain'ny bilaogera sady mpiangaly mozika manan-talenta Dneiber Sady ao amin'ny horonantsary etsy ambony ny tantara nahatonga izany .

Hiperbarrio: Fetiben'ny balaonina tao La Loma

Rising Voices  19 Jolay 2018

Nandefa sary sy horonantsary momba ny fetiben'ny Balaonina tao La Loma (Festival des Globos de La Loma 2010) ireo olontsotra mpampita vaovao ao amin'ny Hiperbarrio tohanan'ny Rising Voices. Notantaraina mivantana tao amin'ny  Twitter sy nalefa tamin'ny horonantsary mivantana an-tserasera ilay hetsika.

Fitaovam-baovao: Onjam-peo mivantana amin'ny bisikileta 

Rising Voices  15 Jolay 2018

Mitondra fahafahana miditra amin'ny aterineto ho an'ireo vondrom-piarahamonina izay tsy nahazoana fifandraisana teo aloha ny fitaovana fanavaozana ao Colombia sy Bangladesh . Hijery ireo bisikileta Wi-Max ao Medellin sy ireo kioska Aterineto amin'ny finday any Bangladesh isika.

Miangaly rap momba ny fampahalalam-baovaon'olontsotra i Jorge Jurado

Rising Voices  11 Jolay 2018

Iray amin'ireo tanora miisa eo amin'ny 20 eo ho eo ao amin'ny sarangan'ny mpiasa ao amin'ny fokonolona ambanivohitra ao San Javier La Loma izay nanangana ny vondrona fampitam-baovaon'olontsotra" ConVerGentes." i Jorge. Anisan'ny iray amin'ny vondrona telo izay ao anatin'ny tetikasa fanentanana lehibe indrindra HiperBarrio izy ireo.

Vehivavy mpitarika telo manandratra ny feony  

Rising Voices  08 Jolay 2018

Raha vao nanomboka ny volana May 2007 ny Rising Voices dia nanantena izahay fa hisy farafaharatsiny ny sasany amin'ny mpandray anjara amin'ny tetikasa hisandratra ho mpitarika matanjaka. Tsy nanantena anefa izahay na izany aza fa ho vetivety dia hiseho ireo mpitarika ireo ary vehivavy ny maro an'isa tamin'izy ireo.