· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Oktobra, 2018

Bangladesh: Taorian'ny tondradrano

  14 Oktobra 2018

Fantatra fa olona miisa 587 no matin'ny tondradrano tamin'ny fotoana nanoratana tamin'ny taona 2007 tany Bangladesh. Efa nihena ny tondra-drano tany amin'ny ankamaroan'ny faritra saingy nanakana ireo olona voakasik'izany tsy ho tafody tany an-tranony ny tondradrano (vao haingana) tany amin'ny faritra maro .

SIDA 2008: Miady amin'ny SIDA sy miady amin'ny fankahalana pelaka

  08 Oktobra 2018

Raha vao tapitra ny Fihaonambe Iraisam-pirenena XVII momba ny SIDA natao tao an-tanànan'i Mexico City,  iray tamin'ireo olana goavana noresahan'ireo mpandray anjara ny tsy fahombiazan'ny iraisam-pirenena amin'ny fiatrehana ny  VIH / SIDA eo amin'ny lehilahy izay manao firaisana amin'ny lehilahy hafa, izay matetika antsoina hoe MSM.

Libanona: Fanontaniana Azo Ambara Ho Tsy Politika

  06 Oktobra 2018

Inona no hanintsika? Nahoana ireo bankintsika no miroborobo? Iza no mandraoka an'ireo baomba miparitadritaka? Ahoana no hanampian'i Brezila amin'ny fanodinana ireo fako libaney? Nankaiza ireo ankizy izay voafandrika teny anelanelan'ireo tifitry ny andaniny sy ankilany nateraky ny ady? Ary mozika kely koa. Ireo no fanontaniana vitsivitsy izay ahitàna valiny any anatin'ny fijerena ny tontolombolongana libaney tamin'ity herinandro ity. Ndeha atombontsika amin'ireo fanontaniana telo momba ny fisiana napetrak'i Mazen Kerbaj [En]. Ao anatin'ny asa eto ambany, manontany izy manao hoe "Iza isika? Iza no mahalala? Iza no hameno ny banga?"