Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Fahasalamàna

14 Mey 2019

Ny filoha Bingu ve no “Mosesy”-n'i Malawi?

Mamaky ny fotoana ny mpanakanto sasany ary mametraka paikady mifanaraka amin'izany. Mahatonga ireo Malaoita marobe hihira ilay hira malazan'i Joseph Nkasa mitondra ny lohateny hoe Mose wa Lero, na dia tsy te-hihira izany aza izy ireo, noho ny fomba nampifandraisan'ilay mpanakanto an'i Mosesy anaty baiboky amin'ny filohan'i Malawi, Bingu wa Mutharika.

30 Avrily 2019

Palestina: Gaza eo ambany fahirano

Manampy ny feon'izy ireo ao anatin'ny tabataba iraisam-pirenena ny bilaogera manerana ny faritra satria tafiditra ao anaty haizina i Gaza. Nitarika fanakatonana ny tobin' herinaratra tokana ao amin'ny farittra noho ny tsy fisian'ny solintany ny fahirana efatr'andro nataon'i Israely.

29 Avrily 2019

Ireo Libiana Blaogera Tao anatin'ny Herinandro

Somary nahaliana iny herinandro lasa iny raha toa ka niresaka mikasika ireo fahamendrehana mifandraika amin'ny zava-misy virtoaly sy ny tontolo miafina, na momba ny vintana amin'ny Second Life (Fiainana Faharoa) izay afaka hidiranao foana na rahoviana na rahoviana raha toa ka leo amin'ny fiainanao amin'izao fotoana izao ianao.

28 Avrily 2019

Arabia Saodita: Ny Hijab sy i Frantsa

Tamin'ny taona 2004, noraràn'i i Frantsa ireo mpianatra ao amin'ny sekoliny mba tsy hanao fitafiana hanehoana marika ara-pivavahana sy fitafiana maneho maha-mpikambana amin'ny fivavahana - anisan'izany ny fehiloha Silamo na ny Hijab ho an'ny vehivavy. Manohitra ny fitsipika ankehitriny ireo vehivavy Saodiana - efa-taona aty aoriana, hoy ireo bilaogera.

24 Avrily 2019

Niteraka hetsi-panoherana tany amin'ireo faritry ny anjerimanontolo any Torkia ny fanararaotana sy ny fanorisorenana ara-nofo 

"Nanery ahy izy ... Nakapokapony teo amin'ny tany in-telo na in-efatra ny lohako . Torana aho. Rehefa nanokatra ny masoko aho dia efa tamin'ny 1.30 maraina ny ora."

09 Avrily 2019

Shina: ‘menaka maloto’ mameno ireo toeram-pisakafoanana

Nanagadra mpanadio menaka ao Hubei ny ekipa mpanao fanadihadiana ara-toekarena tamin'ny 10 Novambra noho ny famenoana "menaka maloto" maherin'ny 60 taonina eny amin'ny indostrian'ny tranom-pisakafoanana eo an-toerana nandritra ny telo taona lasa. Hoy ny tatitry ny Jingzhou News ao Hubei.

30 Marsa 2019

Ao India, lahatsary iray mitondra fanairana ny amin'ireo ankizy mararin'ny donika

Nahatonga ny fitsaboana ny ankizy ny lahatsary iray mitatitra ny fielezan'ny donika ao amin'ny sekoly fanabeazana fototra iray ao Uttar Pradesh.

28 Marsa 2019

Mampitombo adihevitra ao Myanmar: sahan'akondro Kachin an-tsary

"Nahazo ny fanohanan'ny Shinoa ny ankamaroan'ny saham-pambolena ary ampangaina ho mangala-tany, manimba ny tontolo iainana ary manitsakitsaka ny zon'ny mpiasa ireo Shinoa ireo."

28 Febroary 2019

Hetsik'ireo Makedoniàna Mpampanofa Vatana Mba Hitakiana Ny Tsy Hiheverana izany ho Heloka Bevava, ho Fanefitry ny Herisetra

Nandritra ny Andro Iraisam-pirenena hanoherana ny herisetra atao amin'ireo mpampanofa vatana, nidina andalam-be ireo Makedoniana mpampanofa vatana mba hitaky fomba fiasa ara-drariny sy araka ny maha-olona.

21 Febroary 2019

Koety: Mandria Am-piadanana ry Ahmad AlRubi'e

Mitomany ny fahalasanan'ilay avara-pianarana mpitarika sady mpanao politika, Dr Ahmad AlRubi'e, ireo bilaogera Koetiana. Maro ireo bilaogera namoaka fiaraha-miory tamin'ny fianakaviany tao ami'ny bilaogin-dry zareo ary ny sasany tamin'ireo nanoratra tamim-pirehetampo fatratra momba ny fifandraisan-dry zareo taminy. I Abdullatif AlOmar no mitondra ny tantara amintsika.