Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Septambra, 2018
Nepal: Fandraisana Malina An'ireo Mpikomy Ho Ao anaty Governemanta
Asa raha ho tanteraka ihany ny nofinofin'ireo vahoaka Nepaley mikasika ny Fandriampahalemana noho ny fidiran'ireo Maoïsta ao amin'ny governemanta.
Madagasikara – Frantsa: Miteraka Ahiahy Amin'ny Jadon'ny Governemanta Ny Fandroahana Ireo Teratany Frantsay Anankiroa
Teratany frantsay anankiroa, Christian Chadefaux sy mompera Urfer, nipetraka teto Madagasikara efa am-polo taona maro no namoahan'ny governemanta malagasy didy tamin'iny volana lasa iny (may 2007) fa olona tsy iriana honina eto Madagasikara. Andro vitsy monja taorian'ny nahalany an'i Nicolas Sarkozy ho filohan'i Frantsa izay nanao ho laharam-pahamehana ny fandroahana ireo mpifindramonina tsy ara-dalàna io fanapahankevitra io. Fifanandrifian-javatra ve ? Manome ny heviny ireo malagasy mpitoraka bilaogy .
Bangladesh: Firenena latsaka an-katerena, loharanom-baovao ny bilaogera
Nahita fiovana lehibe i Bangladesy vao haingana. Ny alakamisy alina, nanambara firenena latsaka an-katerena ny filoha Iajuddin Ahmed ary nametra-pialàna amin'ny maha-lehiben'ny governemanta vonjimaika azy, izay fitakiana voalohany nataon'ny firaisamben'ny mpanohitra. Nahemony ihany koa ny fifidianana amin'ny 22 janoary, izay voalaza fa efa vita ny dingana amin'izany.
Niantso ho amin'ny fanovàna ny Irakiana
Nitranga nanerana ny tontolo Arabo ny fitroarana sy ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2011. Nikarakara fihetsiketsehana ny olona tany Libya, Alzeria , Maraoka , Bahrain ary firenena Arabo hafa. Tsy nisy hafa tamin'izany ny tao Iraka izay nahitana vahoaka nitaky fanovàna.
Azia Atsimo-Atsinanana : Ny fiakaran’ny vidim-bary
Nisondrotra maneran-tany ny vidim-bary sy ny entana ilaina andavanandro. Miantraika amin’ny olona an-tapitrisany na koa angamba an’arivony tapitrisa mihitsy aza ny fiakaran’ny vidin-tsakafo. Mampisalasala indray ny politika ara-tsakafo. Nametraka fepetra haingana ny governemanta mba hampitoniana ny ahiahin’ireo mpifidy ao aminy.
Fijery Avy Any Amin'ny Tandrok'i Afrika Sy Sodàna
I Etiopia no iray tamin'ireo firenena Afrikana efatra monja tsy voazanaky ny fitondrana Eoropeana mihitsy. Na dia mahaleotena aza, niharan'ny fibodoana nataon'ny Italiana i Etiopia tamin'ny taona 1936 hatramin'ny taona 1941. mamerina amintsika indray ny tantara ny ethiopundit - 110 taona lasa izay - tamin'ny Adin'i Adwa, izay nandresen'ny hery Etiopiana an'ireo Italiana mpanjanaka nanana teknolojia avolenta.
Azia Atsimo: DST, Mpiasan'ny MR-9, Rallye SAARC, fomba amam-panao Tshechu, Fanao ara-tsaranga, Fitondrana fiara ary ny hosoka
Lohahevitra maro samihafa no iadin-kevitra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Azia Atsimo. Ny mety ho korontana amin'ny fananganana ny Daylight Saving Time, ny valintenin'i Bangladesh tamin'ny 007, ny hazakazaka fiara hanatsarana ny fifandraisana mivantana amin'ny olona, ny saranga, ny fivavahana ary ny fombafomba sy ny maro hafa.
Ho an'ny ankamaroan'ny Sri-Lankey, zava-misy iainana ny kolikoly
Niteraka adihevitra momba ny zavamisy eo amin'ny sehatry ny fiarahamonina rehetra ny fananganana ny Fitsarana Ambony vaovao natokana hisahana ny kolikoly.
Shina : Ny Vato Tsy Azo ivalozana Amin'ny Famaizana an'i Zimbaboe, Jerena Avy Any Shina
Araka izany, hitanareo fa miditra lalina amin'ny raharaha anatiny... i Shina, manitsakitsaka tanteraka ny lalànan'ny 'tsy fitsabahana amin'ny raharaha an-tokantranon'ny firenena hafa". Pékin no mamatsy vola, basy ary manofana ny tafiky ny fitondrana...satria manana tombontsoa goavana i Shina. Hatrany hatrany, loza mitatao ho an'ny fanantenana sy ny fikasana hametraka demaokrasia manerana ny tany no fahitàna an'i Shina. [...] Shina tsy hoe fotsiny firenena iray tsy misy fitoviana sy rariny ao anatiny, fa koa manakana ny fitoviana sy ny rariny tsy hisy any amin'ireo firenena hafa ary mamoritra fatratra ny vahoaka ao aminy
Ny samonin'ny bilaogy Bangladeshita (oktobra 2006)
Ny zava-nitranga tamin'ny bilaogy Bangladeshita manerana izao tontolo izao.