Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jona, 2018
Mety ho voaheloka ho faty noho ny “fanevatevana ny Mpaminany” ilay mpandrindra fantsona Telegram iray
Milaza ny andininy faha-262 amin'ny Fehezan-dalàna Famaizana Islamika fa "Na iza na iza mianiana na manao qazf [fanendrikendrehana] manohitra ny Mpaminany Lehiben'[ny finoana Islamo]... dia homelohina ho faty."
Ahiana horavana noho ny tetikasam-panarenana ny tanànan'ny mpanjono sy ny ala honko iray ao Filipina
"tsy hilaozanay ny fonenanay. Hiady izahay raha mbola misy ihany koa ny olona manohana anay sy manome tanjaka anay hiady."
Nikaragoa: Ampihimamba Atao Amin'ireo Fifandraisandavitra
Ny 26 may 2008, nanambara ny gazety nikaragoaiana La Prensa fa i Carlos Slim, lehilahy manankarena indrindra eto ambonin'ny tany, dia eo ampividianana ny fandaharana iray manan-danja indrindra andoavam-bola ao amin'ny fahitalavitra ao Nikaragoa. Mahatsiaro sahirana ireo mpanjifa amin'ny fahazoana fidirana aminy.
Voafonja Roa Tsaroan'ireo Blaogera Etiopiana
(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny 05/09/2006)..Nipoitra avy amin'ny tontolombolongana Etiopiana ny fanomezam-boninahitra ho an'ireo lehilahy roa voafonja tamin'ny tapabolana farany.
Mamazivazy ny toro-hevitry ny filoha momba ny fitsitsiana noho ny fiakaram-bidin'ny herinaratra ny Arzantina
"Raha tsy manana gazy na herinaratra ianao, dia afaka mampianatra anao ny fomba fandrehetana afo aho. Maka hazo kely fotsiny ianao dia akombony ao ny tananao."
Paragoay: Joseph Stiglitz Ilay Nahazo Loka Nobel Momba Ny Toekarena, Te-hanoro Hevitra Ny Filoham-Pirenena Vaovao
Ny Loka Nobel Momba ny Toekarena Joseph Stiglitz dia ho any Paragoay mba handray anjara amin'ireo lanonana fanokanana ny Filoham-pirenena Fernando Lugo. Anisan'ny hanararaotany hanomezana hevitra ny Filoham-pirenena vaovao ihany koa io fotoana io, ary nomarihiny fa tsy handoavam-bola aminy velively izany fanolorana hevitra ataony izany.
Rosia: Ny haben'ny fandraisana andraikitra
Mamaritra ny penina fandokony amin'ny zavamisy maro ambaratonga ao Rosia i Marat Gelman mpisera LJ galerist , Rosiana mpivarotra zavakanto, ary voalaza fa mpanolotsaina miafina an'i “Victor Yanukovych” tamin'ny taona 2004
Tonizia: Nandà tsy hody ireo Serba mpizaha tany
Mpizaha tany Serba miisa iraika ambin'ny folo niala sasatra tany amin'ny tanàndehibe morontsiraka fialan-tsasatra Toniziana any Sousse sy Hammamet no nandà ankitsirano ny hiala ny firenena mialoha ny Alakamisy, 20 Janoary 2011, andro fialatsasatr'izy ireo farany.
Koety: Raha tsy misy afa-tsy ny tsenambarotra no isarihana mpizahatany
Araho ny zana-tsipìka hamakiana ny fanehoan-kevitry ireo bilaogera momba ny antony nahatonga ny Filoham-pirenena vahiny iray nentina nitsidika toeram-pivarotan-dehibe iray; Nihaona tany amin'ny toeram-pivarotan-dehibe ireo mpinamana ary nisy ny fampirantiana sambo nokarakaraina.
Bolgaria: Hetsi-panoherana manohitra ny herisetra nataon'ny Neo-Nazi
Ny 6 Jona 2010, nisy hetsi-panoherana natao tany Sofia ho fanohanana ny zon'ireo mpitsoa-ponenana sy ny mpifindramonina tany Bolgaria. Nisy andian'olona nanasola loha nanafika olona maro tao anatin'ny tramway iray ho any amin'ny hetsika taloha kelin'ny nanombohan'ny hetsi-panoherana. Ny 10 jona 2010, nisy ny fivoriana hanoherana ny fanafihana teo aloha.