Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Aogositra, 2017
Mitsikera Ny Fandaniam-poana Ataon'ny Fitondrana Meksikana Amin'ny Volam-bahoaka
Vao haingana ny governemanta federaly Meksikana no nanavao ireo vaovao momba ny fandaniana sy ny tetibola miaraka amin'ny tanjona mangarahara, tao amin'ny tranonkala "Vavahadin-tseraseran'ny fitondrana momba ny mangarahara sy fahazoana vaovaom-panjakana "
Iran: Ahiahy Momba Ny Ady Sy Ny Zon'olombelona
Mitombo isanandro ny ahiahy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Iraniana momba ny ady eo amin'i Iran sy Etazonia.
Arzantina: Nilahatra Ireo Mpianatra Hitakiana Sekoly Manara-penitra Kokoa
Ao amin'ny faritanin'i Rio Negro akaikin'ny tanàndehiben'i General Roca, nangataka ny governemanta mba hanatanteraka ny fampanantenany sy hamaha ny olana misy ao amin'ny sekoly ny mpianatra ao amin'ny lisea laharana faha 106.
Tsy Faly Tamin'ny Fepetra Vaovao Noraisin'i Obama Tao Kiobà Ireo Sesitany Kiobana Sasany Ao Miami
Any Miami ny mpanoratra, Robert Valencia, izay fonenan'ny vondrom-piarahamonina teratany Kiobàna lehibe indrindra miaina ivelan'i Kiobà.
Ny Krizy Ara-toekarena Migeja An'i Tiorkmenistana, Ny Filoha Mihira Sy Mitaingina Bisikilety
Misedra olana lehibe ny firenena, noana sy mangatsiaka ny vahoaka, ary tsy misy tahiry, tsy misy famokarana,...
Fianakaviana An'arivony No Terena Hiala Ny Tranony Noho Ny Tohodrano Sardar Sarovar Ao India
Mandroso amin'ny fanokanana ny tohodrano mampiady hevitra ny manampahefana Indiana, ary fianakaviana an'arivony maro no nandà tsy handao ny tranony ao amin'ny faritra izay ho dibo-drano ka tsy maintsy terena roahina.
Ao Anatin'ny Ezaka Hanafoanana Ny Kolikoly, Nantsoin'ny Filohan'i Ozbekistan ho “Fako” Ireo Mpampanoa Lalàna
Miala tsiny aho, fa tena tsy tiako mihitsy ireo mpampanoa lalàna....efa filohan'ny distrika aho, mpitarika faritany iray ary fantatro tsara ny fomba fitondran-tenan'ireo olona ratsy saina ireo.
Azia Atsimo: Zon'Olombelona, Tontolon'ny Bilaogy, Fombandrazana, Demaokrasia, Fanavakavahana, Fitsangatsanganana sy Fetibe
Satria ve atahorantsika ny handray ireo raharaha izay ifandonana ka dia aleontsika bilaogera mangina?
Nakaton'i India Ny Internet Archive Sy Ny Tranonkala Mpizara Tahiry Maherin'ny 2.600 Mba Hiarovana Ny Bollywood
Toa ny Bollywood no antony nahatonga ny Internet Archive (archive.org) nakatona tao India, tranom-boky nomerika ahafahan'ny olona mahita ireo endrika fitehirizana pejy habaka amin'ny alalan'ny tolotra maimaim-poana antsoina hoe Wayback Machine.
Fanavaozana Ny Fifidianana Ao Filipina
Iray amin'ireo tsy mahomby indrindra eto amin'izao tontolo izao ny rafi-pifidianana ao Filipina. Mety maharitra iray volana mahery no hahafahana mamantatra ny voka-pifidianana aorian'ny androm-pifidianana satria mbola atao tanana ny fanisana ny vato.