· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jona, 2017

Ny Rariny Ho an'ireo ’Tetikasa Rehetra Mikendry Ny Fanovana Ara-pitsarana Sy Ny Fitsaharan'ny Kolikoly Lehibe Ao Bolgaria

Hetsi-panoherana maro no natao manerana an'i Bolgaria tamin'ny 23 May sy ny 30 May mba handrisihana ny fanavaozana ao amin'ny fitsarana. Notarihin'ny 'Rariny ho amin'ny Fisantarana Andraikitra Rehetra', anisan'ny hetsika midadasiky ny olom-pirenena mitaky ny fampiharana ny fitsipika demaokratika napetraky ny Vondrona Eoropeana (EU) ny hetsi-panoherana.

Ny Fomba Fijerin'ilay Bilaogera Soedoa An'i Iran

Bilaogera Soedoa iray i Jonathan Lundqvist izay nitsidika an'i Iran volana vitsivitsy lasa izay ary nizara ny zavatra niainany tamin'ny Global Voices tao anatin'ny antsafa iray. Namoaka sary maro tao amin'ny bilaoginy momba ny sivana, ny fiainana andavanandro ao Iran i Jonathan sady tsy hanadinony ihany koa ny hatsaran-tarehin'ilay firenena.

Iran: Polisy Nandaka Vehivavy

Miady amin'ny vehivavy amin'ny lafiny roa fara fahakeliny ny manampahefana Iraniana. Andaniny, nalefa tany am-ponja ary nenjehina ny mpikatroka vehivavy nanao hetsi-panoherana ho amin'ny fitovian-jo. Ankilany, manohy ny famoretana manerana ny firenena ny polisy Iraniana izay mikendry ny hankatoavan'ny vehivavy ny fehezan-dalànan'ny fomba fitafy Islamika ao Iran.