Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2013

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2013

Hazreen Shaik Daud: Voalohany Amin'ireo Nanova Taovam-Pananahana Manao Politika Any Malezia

Namaritra ny firotsahan'i Hazreen ho "hetsika sahisahy, marina sady henin-kaja" ireo mpampiasa aterineto sasany.

Hisy Volantantely Ve Eo Amin'i Etazonia sy Iran?

Tsy manaiky ny hanafana ny fifandraisana voamariky ny fifampiantsoana am-pinday teo amin'ny filoha Obama sy Rouhani ho zavatra tsara avokoa ny Iraniana rehetra.

Nandao ny Commonwealth Britanika i Gambia, Satria ‘Fitohizan'ny Fanjanahantany’ io

"Tsy ho mpikambana velively amin'ny rafitra mampiseho ny fiitaran'ny fanjanahantany i Gambia," hoy ny fanambarana navoakan'ilay firenena Afrikana Tandrefana tamin'ity herinandro ity.

Zokiolona Miady Amin'ny Fanorenana Andrin-jiro Any Amin'ny Tanànan'ny Korea Atsimo

Maro amin'ireo mponin'ny tanàna, izay mpiompy mananika ny 60 sy ny 70 taona, no nifikitra nandritra ny valo taona mahery ankehitriny, mitanisa izay mety ho fiantraikany amin'ny fahasalamana sy maneho ny hasarobidin'ny tanin'izy ireo eo imasony izay efa nipetrahany amam-polotaonany.

Fitaovana an-tserasera Hijerena Indray Mitopy Maso Ireo Sehatry Ny Kandidà Eto Madagasikara

Repoblikan'i Afrika Afovoany : “Aza Adinoina Izahay!”

Niha-nahery vaika sady nanaitra ny fifandonana teo amin'ny governemantan'i Afrika Afovoany sy ireo mpikomy Seleka any amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany hatramin'ny volana Desambra 2012. Mampahonena ny fari-piainan'ny olona any amin'ireo tanàna sasany, indrindra fa ireo ao anatin'ny firenena.

Fanangona-Tsonia An-Tserasera Nahavita Namotsotra Soka-Dranomasina tany Philippines

Nisy soka-dranomasina voababo natao hanintonana mpizaha tany ho fangalam-bola ny fakana sary azy. Mihoatra ny 1500 no nanasonia ho famotsorana ilay soka-dranomasina.

Manao Fikotonana Hanoherana Ny Lalàna Hanaramàna Vahiny Mpitsabo Ireo Mpitsabo Ao Panama

Nitondra ny mpitsabo ao an-toerana ho any amin'ny làlan'ny tolona ny Lalàna 611 ao Panama, raha toa kosa ny governamanta manome toky fa tsy hametraka olana amin'ireo mpiasa teratany ny fanafàrana vahiny mpitsabo.