Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2012
Etazonia : Ny Làlana Lavitr'ezaka Mankany Amin'ny Fandriampahalemana Araka An'i Aung San Suu Kyi
Aung San Suu Kyi [fr], endrika malazan'ny fanoherana Birmana sady nahazo ny loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, dia nahazo ny loka Vaclav Havel avy amin'ny Human Rights Foundation, ho fankasitrahana fisintahana iray miharo famoronana, ao anatin'ny sehatry ny Freedom Forum tao San Francisco. Ny fandraisany anjara tamin'ilay vovonambe dia tafiditra ao anatin'ny fandaharanasa fitsidihana mandritra ny 15 andro eo ho eo any Etazonia izay nitondra azy hatrany amin'ny Trano Fotsy sy nanolorana azy ny Medalim-boninahitry ny Kaongresy.
Rosia : Tetikasa “Bribr” Hamantarana ny Fisian'ny Kolikoly
Fampiharana vaovao amin'ny iPhone/iPad ny Bribr [amin'ny teny rosiana] ; App Store, Facebook] izay ahafahan'ny mpisera azy tsy ho fantatra anarana (anonyme) ao Rosia mandefa ny toerana nisian'ny kolikoly sy ny totalin'ny vola natao kolikoly. Afaka ampahafantarina arak'izany ny vola noraisina tamin'ny kolikoly. Araka ny fanambaran'ny Bribr [rosiana], […] Mpitsabo, tafika, fadin-tseranana –...
Vietnam : Bilaogera ‘Mpisintaka’ Telo Voaheloka Higadra
Bilaogera vietnamiena Dieu Cay, AnhBaSG ary Ta Phong Tan no nomelohin'ny fitsarana an-tanànan'i Ho Chi Minh fa nanitsakitsaka ny andiany faha-88 ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana vietnamiena, izay manasazy ny “fanaparitahana vaovao noforonina hikendrena hiteraka korontana eo amin'ny vahoaka” sy ny “fanendrikendrehana ny fitantanam-bahoaka.” Ankoatra ny sazy an-tranomaizina, mbola hotazomina aminà trano ambenana ihany koa...
Mitokona ny Bazary ao Téhéran ho fanoherana ny fitontongan'ny vola Iraniana
Nitatitra ny Baztab, tranonkala ao Iran, fa nanomboka nitokona ny Bazary ao Téhéran tamin'ny Alarobia 3 Oktobra 2012 lasa teo, naneho ny fanoherany ny fitontongan'ny volam-pirenena ireo mpivarotra sy ny botika. Nahatratra ny taha farany ambany indrindra ny vola rial iraniana manoloana ny dolara Amerikana, izay sambany teo amin'ny tantarany, eo amin'ny 34.000 dolara...
Iran: “Avelao Any I Syria, Mba jereo Ny Aminay”
Tsy nisy tranombarotra nivoha tany amin'ny Tsenaben'i Teheran ny Alakamisy 4 Oktobra 2012, andro iray taorian'ny nanaovan'ireo mpitàna tranom-barotra sy ireo mpivarotra fitokonana hanoheran'izy ireo ny fitotongan'ny sandam-bolam-pirenena tato ho ato ny Alarobia. Namoaka lahatsary maro mikasika ireo fitokonana tamin'ny Alarobia; ny fisian'ireo mpitandro filaminana tany amin'ireo faritry ny tsenabe, sy ireo tranom-barotra nihidy ireo Iraniana mpampiasa aterineto.
Hianjera Noho Ny Sandam-Bolany Ve Ny Fitondrana Iraniana?
Nidina hatrany amin'ny ambany indrindra ny rial iraniana ny talata 2 Oktobra 2012. Tonga 34.500 rials ny takalon'ny dollar amerikana iray.
Espaina : Tsaraina Noho Ny Nahatrarany Kolikoly Ny Mpanao Gazety Roa Any Catalan
Hotsaraina any Catalan,Espaina amin'ny 27 Septambra, i Albano Dante sy i Marta Sibina, tonian-dahatsoratry ny gazetiboky Cafè amb Llet. Nampangain'ny mpanolotsain'ny filohan'i Catalan ho nanala baràka ireo mpanao gazety rehefa nilaza fa misy mpiasam-panjakana ambony voarohirohy ao amin'io kolikoly amin'ny rafitra ara-pahasalamana io.
Torkia: Tara-pahazavana Bitika Amin'ny Fifampiraharahana Amin'ny Mpioko Kiorda
Tamin'ny herinandro lasa teo ny praiminisitra tiorka Recep Tayyip Erdoğan no nanamarika ny fanombohan'ny [mg] fitadiavana hifampiresaka bebe kokoa eo amin'ny PKK (Antokon'ny Mpiasa Kiordistana) sy ny governemanta. Tsy dia nampihiratra loatra ny vaovao satria matetika ny governemanta tiorka no tsy manatontosa ny fampanantenany amin'ny vahoaka kiorda.
Torkia: Manamarika Ny Isian'ny Fifampiraharahana Eo Amin'ny Mpioko Kiorda Ny Praiminisitra
Nanamarika ny praiminisitra tiorka, Recep Tayyip Erdoğan, fa hifampiraharaha amin'ny mpioko kiorda taorian'ny volana maro nisiana herisetra mahafaty avy amin'ny mpioko kiorda ho setrin'ny politika tiorka. Tsy narisika ny hifampiresaka tamin'ny mpioko i Torkia teo aloha, na dia teo aza ny antso avy amin'ny antoko kiorda mpandala ny fandriampahalemana sy ny demokrasia.
Miady Amin’ny Tsy Fandriampahalemana i Madagasikara
Miitatra mivoaka ny tanandehibe ao aminy ny krizy ara-tsosialy sy politika manempotra an'i Madagasikara. Miezaka ny hifehy ny herisetra misy eo amin'ny malaso sy ny tantsaha any atsimon'i Madagasikara ny Governemanta.