· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Febroary, 2011

Alzeria: Mpanao Fihetsiketsehana Voasambotra, Voadaroka tamin'ny Diaben'ny #Feb12

Efa nahafaka mpanao jadona roa sahady ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tonizia sy Ejipta saingy ny manampahefana Alzeriana kosa mbola nahita fahombiazana hatrany amin'ny fanakanana ireo hetsi-panoherana izay nanomboka avy hatrany taorian'ny hetsiky ny Toniziana tany am-piandohan'ny volana Janoary 2011. Ireo saripika sy lahatsary eo anivon'ny aterineto dia mampiseho ny fisamborana sy ny herisetra ara-batana natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Ejipta:Fanadiovana ny Tahrir

Nandritra ireo herinandro vitsy lasa, satria "nanadio" ny fireneny tamin'ny Fahefana jadona ireo Ejiptianina, feno vahoaka ny Kianjan'ny Tahrir, feno hafaliana, ary vokatr'izany, feno zavatra tokony ho diovina. Na dia nikarakara ny trano vonjimaika nitoerany aza ireo mahery fo tao afovoan'ny Kianja, maro ireo zavatra tokony natao satria mihamanify ny sarababem-bahoaka. Androany, nizara ny vaovao ireo Ejiptianina fa madio tanteraka ny Kianja, ary mbola tsara noho ny nahitan'izy ireo azy.

Iran: Manohitra amin'ny anaran'ny Ejipta sy Tonizia

Ireo mpitarika ny fanoherana Iraniana, Mir Hussein Mousavi sy Mehdi Karubi, dia nangataka alàlana hanao famoriam-bahoaka ho fanohanana ny hetsi-panoherana any Ejipta sy Tonizia, amin'ny 14 Febroary (25 Bahman) raha ny voalazan'ny tranonkalan-dry zareo. Nanosika mafàna fo maro hametraka ny 'dian-tànana maitsony' eo anivon'ny aterineto ireo vaovao.

Ejipta: Nametra-Pialàna Tsy ho Mpitarika ny NDP eo amin'ny fitondràna ve i Mubarak?

Vaovao vao nilatsaka ny hoe nametra-pialana amin'ny maha filohan'ny antoko NDP mitondra amin'izao fotoana azy ny filoha Ejiptian Hosni Mubarak. Andro faha-12 amin'ny hetsi-bahoaka goavana manerana an'i Ejipta itakiana ny fialàny no nisian'izany. Fanavaozam-baovao: niova ny vaovao ankehitriny: mety tsy niala tamin'ny toerany i Mubarak. Indreto fanehoan-kevitra avy ao amin'ny Twitter mikasika ireo vaovao mifanipaka ireo.

Iran: “Ing. ElBaradei namanay” ao Ejipta

Manohy mizara ny fomba fijeriny mikasika ny fitroarana any amin'ny tontolo Arabo ireo Iraniana mpitoraka bilaogy avy amin'ny firehana politika samihafa. Masih, Islamista iray tena fatra-mpandàla ny nentin-drazana no mahita fa vintana iray ho an'ny mpitondra Iraniana raha toa ka tafiditra ao anaty fitondrana any Ejipta i Mohamed ElBaradei.

Sodana: “Revolisiona Facebook” miaraka amin'ny Fanampian'ny Twitter avy eo an-damosiny

  01 Febroary 2011

Firehana vaovao no atrehintsika androany eto Sodana. Nitombo niaraka tamin'ny niomerika ny tanora Sodane, ary tsapan'izy ireo tsara ny fivoaran'ny tontolo manodidina azy ireo. Mampiasa ny fitaovana tambajotra sosialy mba hanaovana izay handrenesana ny feony sy hiantsiana ny fitondrana ireo tanora Sodane. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, hojerentsika ny fomba ampiasàna ny fitaovana media sosialy ho fanampiana handrindràna, handraketana ary hitaterana ny hetsi-panoherana tamin'ny 30 Janoary.