Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2010

Masedonia: Dingana folo hitantanana repoblika fôpla

Kopach, mpanoratra matoandahatsoratra ho an'ilay vohikala tsy miankina Okno.mk, no namoaka lisitra iray [MKD] mitondra ny lohateny hoe “Fomba 10 hitantanana fitondràna anaty tanin'akondro.” Ilay mpanoratra mitondra ny solon'anarana midika hoe “Mpihady” amin'ny fiteny Masedoniana, dia nanoratra fa nahazo aingam-panahy sy nampiasa ireo boky Year 501: The Conquest Continues [taona...

Iraka: Iza no ho Praiministra manaraka?

Tsy nahita marimaritra iraisana ho amina kandidà tokana hapetraka amin'ny toeran'ny Praiminisitra ireo vondrona roa maro an'isa lany tamin'ny fifidianana, na dia efa natao tamin'ny 7 Martsa aza ny fifidianana ny ho parlemanta irakiana. Manana izay lazainy koa momba ny fikatsoana ireo mpitoraka blaogy ao anatin'ity lahatsoratra ity .

Egypta: Miketrika valifaty ny Minisitry ny atitany

Nampiasa ny media amin'ny aterineto ireo mafana fo Egyptiana amin'ny fampiharihariana tanteraka ny kolikoly sy ny fampijaliana ataon'ireo mpitandro ny filaminana. Marwa Rakha manoratra mikasika ny fihetsehan'izy ireo niseho vao haingana ary manala sarona ny tranga mikasika ny mafana fo Egyptiana iray voatazona tany Libya ato amin'ity lahatsoratra ity.

R. D. Congo: Fahaleovantena “Cha Cha”

Nankalaza ny faha – 50 taonan’ny fahaleovantenany niala tamin’ny zioga Belza ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Raha mbola faly mampidera ny halafon’ny fitaovana ara-miaramila vaovao izay ampiasaina amin’ny fisehosehoana amin’ireo manamboninahitra ny fanjakana , dia mitantara ireo filatroana tany Kinshasa sy Lubumbashi kosa ny mpitoraka blaogy Kakaluigi[fr] sy Congo Miliki [fr],...

Filipina: Maneho hevitra mikasika ny kabary fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao ireo mponin'ny aterineto

Maneho hevitra mikasika ny kabary fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao faha-15-n'ny Repoblikan'i Philippines, ,Benigno Simeon Aquino III ireo Filipiana mpitoraka blaogy. i Aquino no voalohany amin'ny filohan'i Philippines manana bakalorea sady voalohany amin'ny fibatàna ny fandresena tamin'ny fifidianana nampiasana teknolojia avo lenta teo amin'ny frenena

Nepal: Nametra-pialàna ny Praiministra

Nanao filazana ampahibemaso ny fametraham-pialany ny praiministra Nepaley Madhav Kumar Nepal omaly nandritry ny lahateny iray mivantana tamin’ny fahitalavitra. Nyfametraham-pialàn' Ing. Nepal dia mitondra mankamin'ny fitsaharan'ireo disadisa ara-politika naharitra tao Nepal.

Bangladesh: Miverina ny Hartal

Fihetsiketsehana any Dhaka. Sary avy amin'ny Flickr-n'i Vipez. CC BY-NC-ND Taorian’ny fitsaharana nandritry ny telo taona, niverina indray ny Hartal any Bangladesh, endrika iray fanao any µAzia Atsino rehefa manao fitokonana. Ny fiombonamben’ny mpanohitra any Bangladesh dia niantso fanaovana hartal iraytamin’ny Alahady (27 Jona 2010) ho fanindriana ny fangatahan-dry zareo...