Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Septambra, 2019
Manasongadina ny anjara asan'ny Cambridge Analytica tao anatin'ny fifidianana tany Trinidad & Tobago ny “The Great Hack’ an'ny Netflix
Mety ho tonga ao Trinidad sy Tobago i Christopher Wylie, ilay mpitoroka ny Cambridge Analytica, mba hiresahana miaraka amin'ny Kaomity Manokana Iraisana mikasika ny tsy fahaiza-mitantana ny fampielezankevitra amin'ny fifidianana- ary koa ireo olona nanakarama ilay orinasa.
Notorian'ny praiminisitr'i Singapaoro ho manala baraka ny tranokalam-baovao tsy miankina iray
Notorian'ny praiminisitr'i Singapaoro Lee Hsien Loong i Terry Xu, lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny tranonkalam-baovao tsy miankina The Online Citizen (TOC), noho ny fanalam-baraka nifandraika tamin'ny lahatsora-baovao iray navoakany, miresaka momba ny disadisam-panjakana eo amin'ny mpitarika sy ireo mpiray tampo aminy.
Olona an-tapitrisany ao Assam avaratra atsinanan'i India atahorana ho very zom-pirenena
Manodidina ny 1,9 tapitrisa eo ireo olona mety hiharan'ny tsy fananana zom-pirenena ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanan'i India, Assam rehefa avy nesorina tao amin'ny Rejistra Nasionalin'ny Olom-pirenena (NRC) nohavaozina.
Voarahona horarana ao Tonga ny Facebook noho ny lahatsoratra iray nanohitra ny fanjakam-panjaka
"Hampiseho ny tenany ho toa tsy ampy saina na tsy mahomby ny governemanta amin'ny fiezahana hametraka ny fandraràna."
Manapaka ny servisim-pinday ho an'ny Rohingya i Bangladesh
Nanome baiko ny orinasam-pifandraisandavitra ao aminy ny governemanta Bangladeshita hanapaka ny fidirana finday any amin'ny toby Rohingya amin'ny lazaina ho ‘fiarovam-pirenena'.