Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Avrily, 2019

Côte d'Ivoire: Lahatsary vaovao manome ny antsipirian'ny fisamborana ny filoha teo aloha

Asehon'ny lahatsary ny ampahany tamin'ireo fizotran'ny raharaha nisamborana an'i Gbagbo, nanomboka hatrany amin'ny nidarohan'ny Tafika Manokana Frantsay ny tranony ka hatrany amin'ny famindrana ny fianakavian'i Gbagbo ho ao amin'ny Hotel du Golf.

Samy manana ny tatitra ataony ny fampitam-baovao Frantsay sy Anglisy mikasika ny fihetsiketsehana ao Alzeria.

mampiasa fomba fiasa samihafa tanteraka ny fampitam-baovao amin'ny teny Anglisy sy amin'ny teny Frantsay, indrindra fa tamin'ny fampiasana teny lehibe manokana hita ao amin'ny Media Cloud, sehatra tovozona malalaka (open-source) ho an'ny fandalinana ny tontolon'ny fampitam-baovao.

Gresy: Latsabatom-pitokisana sy Referandaoma ho avy

Ny takarivan'ny 31 Ôktôbra 2011, tamin'ny fanapahan-kevitra goavana ara-politika [el], nitaky latsa-bato-pitokisana avy hatrany tao amin'ny parlemanta ny Praiminisitra Grika George Papandreou ary koa fitsapankevi-bahoaka ho an'ny eny sa tsia amin'ny fampindramam-bola fara-fanavotana avy amin'ny Vondrona Eorpeana,

Ozbekistana: Ireo Fiovàna Tsy Niriana

Taorian'ny faharavàn'ny URSS, nitsahatra tsy nisy intsony ny mari-pamantarana sy ny ideolojia kaominista sovietika ary niatrika olana miezinezina momba ny famaritana maripamantarana azy vaovao sy ara-ideolojika ireo firenena vaovao.

Rosia: Tantara tsangana “handrafetana indray” ny fahafatesan'ilay mpisolovava Magnitsky

Mitohy ny adihevitra momba ny fepetram-pamonjana, nateraky ny fahafatesan'i Magnitsky - ary azo inoana fa hiditra amin'ny dingana vaovao izany: eo am-pamolavolana ny tantara izay "handrafetana indray" ny horohoron'ny ora farany niainan'i Magnitsky i Mikhail Ugarov (mpisera LJ m_u), mpilalao sarimihetsika mahatsikaiky sady tale ara-java-kanto ao amin'ny Teatr.doc (RUS), teathra ao...

Niteraka hatezerana ho an'ny vahoaka ny filazan'ny filohan'i Angola tao anatin'ny antsafa fa tsy misy mosary ao amin'ny firenena

"Misy fanampiana ara-tsakafo any Angola ankehitriny, ary tsy misy afaka milaza fa misy hanoanana [goavana] any Angola fa resaka tsy fahampian-tsakafo no misy" hoy ny fanamarihan'ny filohan'i Angola.

Malezia: Tetikasa Fanarenana Faharoa

Tsy ampy ilay tetikasa fanarenana ny toekaren'i Malezia natao voalohany tamin'ny 2008. Vokany, nanambara tetikasa fanarenana faharoa ny governemanta ny volana Martsa 2009.

Hofehezina tahaka ny fampitam-baovao ihany koa ny bilaogy Rosiana atsy ho atsy?

Ny 7 aprily 2014, depioté roa ao amin'ny Douma Rosiana no nampahafantatra fa hanolotra volavolan-dalàna hifehy ny vaovao ao amin'ny aterineto izy ireo.

Shina: ‘menaka maloto’ mameno ireo toeram-pisakafoanana

Nanagadra mpanadio menaka ao Hubei ny ekipa mpanao fanadihadiana ara-toekarena tamin'ny 10 Novambra noho ny famenoana "menaka maloto" maherin'ny 60 taonina eny amin'ny indostrian'ny tranom-pisakafoanana eo an-toerana nandritra ny telo taona lasa. Hoy ny tatitry ny Jingzhou News ao Hubei.

Manohana ilay poeta an-dalambe voasazy handoa onitra ny tambajotra sosialy Kolombiana

Niteraka resabe tao amin'ny tambajotra sosialy Kolombiana ny tantaran'i Espicasa, poeta an-dalambe voasazy handoa onitra ary nitarika adihevitra manerana ny firenena momba ny andraikitry ny tononkalo eo amin'ny fiainam-bahoaka.