Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Novambra, 2018

Fonjain'i Maoritania i Biram Dah Abeid, mpikatroka anti-fanandevozana — ary ampanalaviriny ny parlemanta nahavoafidy azy koa

Nolazaina fa noho ny fandrahonana mpanao gazety iray manana fifandraisana akaiky tamin'ny fitondrana maoritaniana no antony nandefasana azy ho any am-ponja. 

Misy Mony? Hampandoa Hetra amin'ny Fitsaboanao izany i Korea Atsimo

Andoavana hetra ny fipoiran'ny mony amin'ny tarehinao? Tena fomba hafa kely marina hanangonana hetra izy ity.

Malezia: Naato tao amin'ny parlemanta i Anwar Ibrahim

Andro vitsy lasa izay, napetraka tao amin'ny Parlemanta Maleziana ny hetsika hampiato ny mpitarika ny mpanohitra Anwar Ibrahim mandritra ny enim-bolana noho ny nampifandraisany ny foto-kevitra Malezia iray an'ny praiminisitra Najib Razak tamin'ny "Israely Iray".

Tonizia Mibilaogy: Novambra mahafinaritra

Mankalaza ny faha 19 taonan'ny "Fanovana ny 7 novambra" (1987) izay nitondra ny filoha Ben Ali teo amin'ny fahefana tao anatin'ny fanonganam-panjakana mihoso-drà nihatra tamin'i Habib Bourquiba, izay nanjaka nandritra ny 30 taona

Sahara Andrefana: Tany misy vanja nandratra mpanao fihetsiketsehana dimy

Ny herinandro lasa teo, nijoro ho an'ny firaisankina manoloana ny berm ("Rindrin'ny Henatra") izay naorina teo anelanelan'i Maraoka sy Sahara Andrefana, izay lazain' i Maraoka fa fiandrianam-pirenena ny Saharawis sy Spaniards.

Sahara Andrefana: Mpianatra notànana

Mpianatra notànana ary navotsotra taorian'ny adiny folo

Lasa Any Amerika Latina i Ahmadinejad

Niady hevitra mikasika ny Filoham-pirenena Iraniana, Mahmoud Ahmadinejad, lasa any Amerika Latina sy ireo olana tsy mlitsahatra mitombo ao an-tokatranony, ireo blaogera.

Afaka madiodio tamin'ny fiampangana fihemorana amin'ny finoana ilay bilaogera maoritaniana Mohamed Ould Mkheitir, fa mbola migadra hatrany efa-taona izao

Famantarana "amin'ny famoretana ampiharin'ny fitondrana maoritaniana amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny famoaham-baovao ny raharaha bilaogera Mohamed Mkhaïtir

Ity herinandro ity tao Israely: androm-pifidianana androany – marsa 2006

Nandeha tany amin'ny biraom-pifidianana ny Israeliana androany mba hifidy governemanta vaovao. Nitabataba ny fampahalalam-baovao nanomboka tamin'ny 10 maraina fa ambany dia ambany ny tahan'ny fandraisana anjara, na dia tsy mikatona raha tsy tamin'ny 10 alina aza ny birao fandatsaha-bato.

Mitombo betsaka ireo ampangaina ho nanao ‘heloka bevavan'ny firaisankina’ ao Eoropa, 11 nantsoina hotsaraina tao Belzika noho ny fanampiana mpifindramonina

Niseho teo anatrehan'ny fitsarana tao Bruxelles tamin'ny 6 septambra 2018 ny olona miisa 11 izay nosamborina sy nampangaina ho nanao fanondranana olona tamin'ny oktobra 2017, io no fotoam-pitsarana voalohany lazain'ny mpikatroka fa tranga hafa ao Eoropa “mampahameloka ny firaisankina”. Nolazaina ho nanampy mpifindramonina tsy manan-taratasy miisa 95 ireo voampanga, 12 amin'ireo mbola...