· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Mey, 2018

Shina: Mandroaka ireo tsy an'asa ao Shenzhen

  25 Mey 2018

Manadio ny tanànan'ireo tsy an'asa mandritra ny telo volana mahery - izany no nolazain'ny ben'ny tanàna lefitr'i Shenzhen sady lehiben'ny polisy tamin'ny 29 aprily ho setrin'ny olana ara-pandriampahalemana ao amin'io faritra manokana ara-toekarena any atsimon'i Shina io. Niteraka valinteny mahery vaika tamin'ny aterineto izany sosokevitra izany..

Kostà Rikà: Fifanolanana mikasika ny fahaleovantenan'ny oniversite UCR

  24 Mey 2018

Tamin'ny 12 Aprily 2010, fara fahakeliny polisy manamboninahitra 60 avy amin'ny Sampana mpanao Fanadihadiana ara-pitsarana Kosta Rikana (OIJ raha hafohezina amin'ny teny Espaniôla) sy mpikambana ao amin'ny polisy no tonga tao amin'ny Oniversiten'i Kosta Rika (UCR) mba hisambotra manamboninahitra misahana ny fifamoivoizana ao amin'ny toby, izay voampanga ho nanao kolikoly.

Filipina: Nitory bilaogera ny mpikambana iray ao amin'ny kabinetra

  24 Mey 2018

Miatrika fitoriana fanalam-baraka tamin'ny lahatsoratra navoakany tamin'ny volana oktobra ilay bilaogera Ella Ganda. Nilaza i Ella fa ny entana fanampiana ho an'ireo tra-boinan'ny rivo-doza dia angonina ao amin'ny trano fitehirizan'ny governemanta ao amin'ny Departemantan'ny Fiahiana Ara-tsosialy sy ny Fampandrosoana (DSWD)..

Haiti: Ny Antoko Fanmi Lavalas Nalàna Tsy Ho Ao Amin'Ireo Fifidianana Manaraka

  23 Mey 2018

Na teo aza ny fanilikilihana nisy teo amin'ireo antoko politika sasany, nanantitrantitra i Janet Ann Sanderson Ambasadaoron'i USA ao Haiti […] fa any amin'ireo Fanjakana demokratika 'ireo fifidianana marina sy demokratika dia andraisan'ny rehetra anjara ary tsy manavaka' ary tsy maintsy manampy amin'ny 'fampiraisana ny demokrasia' amin'ny fampandraisana anjara an'ireo antoko politika lehibe rehetra.

Goatemalà: malalaka ny aterineto, afaka mamahana bilaogy ny olon-drehetra

  22 Mey 2018

Tany ampiandohan'ny taompolo 90, voafehy ny gazety, ary ny manankatao ihany no afaka niditra tamin'ny fisian'ny aterineto vaovao. Raha vao nomena ny tsy miankina ny indostrian'ny fifandraisan-davitra dia maro ny olona no afaka niditra tamin'ny tranonkala manerana izao tontolo izao, ary afaka namahana bilaogy noho izany ny ankamaroan'ny olona.