· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2017

Manokatra Sehatra Vaovao Ho An'ny Adihevitry Ny Vahoaka Ny Media Sosialy Ao Ghana

  27 Jolay 2017

Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena Ganeana 2016, tao anatin'ny fiadiana fahefana goavana, nisy zavatra hafa nihamafy. Nanjary fitaovana lehibe ho an'ireo mpifidy ny media sosialy sy ny sehatra antserasera. Nanjary zava-dehibe toy ny fandraisam-pitenenana amin'ny famoriam-bahoaka ny fandraisan' anjaran'ireo mpifidy ao amin'ny sehatra nomerika.

Shily: Fifanarahana Mampiadihevitra Nifanaovana Tamin'ny Microsoft

  25 Jolay 2017

Nahatalanjona ny Shiliana maro ny fifanarahana nifanaovan'ny Minisiteran'ny Toekarena Shiliana sy ny Microsoft sonia. Ny Microsoft irery ihany izany no hanana fahafahana miditra hanome servisy amin'ny alalan'ny governemanta shiliana, ary hametraka ny olon-tsotra (rehetra) ao aminy ho mpisera ny Microsft hoazy.

Iran: Kandidà Reformista Voaràra Tsy Hirotsaka Hofidiana

Nampihena ny fanantenan'izy ireo amin'ny fifidianana parlemantera amin'ny volana ambony ny Iraniana Reformista rehefa nesorin'ny manampahefana ny ankamaroan'ny kandidàn'izy ireo, anisan'izany ireo Solombavambahoaka sasany sy ilay "Rain'ny ny Repoblika Islamika", zafikelin'i Ayatollah Khomeini. Ao Iran, tsy maintsy mahazo fankatoavana alohan'ny hifidianan'ny vahoaka azy ny kandidà.