Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Mey, 2017
Ejypta: Ireo Olona 10 Voalohany Manan-kery Indrindra
Nanatontosa fanadihadiana ilay bilaogera Ahmed Shokeir mba hahitàna izay olona 10 voalohany manan-kery indrindra ao Ejipta, rehefa talanjona izy nahita fa i Gamal Mubarak, zanaky ny filoha Ejiptiana Hosni Mubarak - izay tokony handimby ny rainy - no mpifaninana 100 tafakatra famaranana tamin'ny TIME taona 2009.
Okraina: Ny Faharavàna sy ny Fitiavan-karena Tafahoatra
Nandefa sary misy ny sisa tavela tamin'ny faharavàn'ny tobin'ny tanora mpisava lalana taloha teny amoron-dranomasina ao Odesa ilay mpisera LiveJournal, sabeloff ary nizara tantara vao haingana momba ny toerana (amin'ny teny Rosiana) - izay indrisy fa fahita mahazatra ao Okraina ankehitriny:
Maraoka: “Gaza Avokoa Izahay”
Rabat dia 3850 kilaometatra avy ao Gaza, saingy tsy manakana an'i Maraoka tsy hahatsapa fahatsapana firaisankina lehibe amin'ny Palestiniana izany. Satria mitohy miharatsy ny fanafihan'i Israely an'i Gaza, Manohy miloa-bava ireo bilaogera ao Maraoka.
Iran: YouTube, Mozika sy ny Fifidianana
Nampiasa Youtube amin'ny fomba samihafa ireo mpanao fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Iraniana mba hampiroboroboana ny kandidà tohanan'izy ireo na hanaratsiana ireo mpifanandrina.
Singapaoro GovCamp 2011
Ny 18 Nov 2011 no natao ny GovCamp andiany faharoa tamin'iny taona iny tao Singapaoro, teo ambanin'ny lohahevitra hoe “Mampifandray ny Olona, ny Angondrakitra ary ny Hevitra". Tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #govcampsg, ireto ny fanehoankevitra avy amin'ireo nandray anjara tamin'ilay kaonferansa
Mitaky Ny Famotsorana Ny Mpikatroka Mpiaro Ny Zon'Olombelona Miisa Dimy Notànana Ao Kambodza Ny Fanentanana #FreeThe5KH
Fantatra ho anisan'ny mpifaninana amin'ny famaranana amin'ny Loka malaza ho an'ny Mpiaro ny Zon'Olombelona Martin Ennals 2017 izy dimy
Nitsangana Ny Sendikà Tsy Miankina Voalohany Ao Ejypta
Nanangana ny sendikan'izy ireo tsy miankina voalohany ireo mpanangona hetran-tany ao Ejypta, nahazo fankasitrahana iraisam-pirenena sy tao an-toerana.
Domà Rosiana, Nanasa Olomalaza Avy Ao Amin'ny Youtube Mba Hiresaka
Vehivavy iray nilona tanaty koveta be iray fandroana feno ovy fisaka voaendy ho an'ireo 5 tapitrisa mpanjohy azy ao amin'ny YouTube, tonga nitsidika ny Domàm-panjakana i Sasha Spilberg ny Alatsinainy teo.
Kazkahstan: Ny Fitantanan-draharaham-Panjakana Resahan'ireo Bilaogera
[...] Tsy mampino ity firenentsika ity. Firenen'ireo tsy matianina / tia andrakandrana [...]
Satria Efa Akaiky Ny Fifidianana Izay Ho Tale Jeneralin'ny OMS, Voampanga Tamin'ny Resaka Kolerà ny Kandidàn'i Ethiopia
Hifidy izay ho tale-jeneraly amin'ny 23 Mey 2017 ireo minisitry ny fahasalamana ao amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny OMS (Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana).