Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2016
Araka ny Filazan'ny Indiana, Tamin'ny taona 1947 No Nitranga Ny Tena Brexit (Fialàn'ny Britanika)
Mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ny toekarena, varotra sy politika manerantany ny Brexit -- saingy manana ny fomba fijeriny manokana momba ny fanapahan-kevitr'i UK hiala amin'ny Vondrona Eoropeana i India.
Kazakhstan : Hanavotra Ny Praiminisitra Ve Ny Fahana Tena Manorisory Ao Amin'ny Twitter-ny?
" Nisy torohay fanoherana ambongadiny ny Praiminisitra natombok'ireo solombavam-bahoaka mpiova hevitra foana sy ireo mpikambana amin'ireo vondron'ny mpitantana vitsy an'isa samy hafa. "
Solika Manandanja Hitan'ny ExxonMobil Eny An-dranomasin'i Goiana, Miteraka Fanontaniana Momba Ny Hoavin'ny Firenena
"Antenaiko fa ho fantatry ny governemanta eto Goiana ny hoe mety hisy fiantraikany ratsy na tsara ho an'i Goiana io, arakaraky ny fomba hitondrany azy."
Miaka-peo Manohitra Ny Lalàna Henjana “Miady Amin'ny Fampihorohoroana” Ny Orinasa Sy Ireo Mpikatroka Rosiana
Mandrahona ny fiainana manokana sy ny tsy fitononana anarana eo amin'ireo mpiserasera Rosiana ny volavolan-dalàna vaovao miady amin'ny fampihorohoroana amin'ny alalan'ny fanasaziana ny fifandraisana voaaro sy ny fanamafisana orina ireo fepetra fanarahamaso efa misy.
Thai Mpikatroka Mafana Fo Mampiasa Kilalao, Balaonina Sy Saribakoly Hanentanana Momba Ny Demaokrasia
Mbola voaràra foana ny hetsipanoherana ao Thailand, izay mbola ny tafika no eo amin'ny fitondràna, saingy moa hisambotra ireo 'kilalao' sy 'sarbakoly' manao hetsipanoherana va re ny manampahefana?
Oganda, Tany Iray Amin'ireo Fialokalofana Tena Tsara Fandray Indrindra Eran'izao Tontolo Izao.
Oganda, manana ireo tany tsy milamina sy tanin'ny ady mifanila aminy, mandray mpitsoa-ponenana 700 000, izay ahitana ireo Sodaney avy any atsimo, ireo Somaliana, ireo Borondey ary ireo Kongoley.
Mihevitra Hanangana ‘Fandraharahana Nasionalin'ny Lahatahiry Goavana’ i Rosia Hifehezana Ny Lahatahirin'ny Mpiserasera Aterineto
Efa dinihan'ny manampahefana Rosiana ny hananganana "mpanao raharahan-dahatahiry goavana nasionaly" ahafahana manara-maso ny fomba ampiasana, itehirizana ary hiarovana ny lahatahirin'ny Rosiana mpiserasera aterineto
‘Ao Tsara Bakou'?: Nametraka Mafy Ny Tsy Fitoviana Tao amin'ny Sezan'ny Mpamily Ilay Fandalovana Miseran'ny F1 Tao Azerbaijan
"Raha ireo mpandoa hetra no mandoa ny vola lany amin'io ny farany, olompirenena roa mahazo vahana kosa tena lasa nanankarena be tamin'ireo kilalao ireo: ireo zanakavavin'ny filoha."