Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2015
Taorian'ny Fandraràn'ny FIFA, Angatahan'ny Fikambanana Indoneziana Ho An'ny Baolika Kitra Ny Fitondràna Mba Tsy Hitsabaka
"Raha tian'ny fanjakana handresy kokoa eo amin'ireo lalao iraisam-pirenena ireo tarika mpilalao baolina kitra Indoneziana, tsy maintsy manaraka izay ataon'ireo firenena hafa rehetra koa izy."
Tandindonin-doza Ny Aterineto, Sehatra Iray Avo Ho An'ny Hetsi-Panoherana Ao Ekoatera
Vao tsy ela akory, miampanga ny fanjakana amin'ny fanelingelenana ny onjan'ny finday ireo mpandray anjara amin'ny hetsi-panoherana natao tsy ela akory tany Ekoatera. Ny "peer-to-peer" no mety ho vahaolana.
“Mpaminany Sandoka” Tajik Nalefa Higadra 16 Taona
'Sarotra ny mahatakatra ny antony ambadik'ilay didim-pitsarana. Sufi ilay Sheikh, tsy liana politika, niaina tany an-tendrombohitra tany, tsy nanelingelina na iza na iza...'
Sangy Ratsy Tafahotra Fa Tsy “Hery” No Fahitan'Ireo Mpisera Ilay Antoko Politika Vaovao Ao Trinidad & Tobago
Fanombohana mahatsikaiky tsy niniany natao no niaingàn'ilay vondrona "The Third Mouvement". Maro tamin'ny mpisera ety anaty aterineto no naka ilay fomba Trinbagoniana amin'ny fanononana ny "th" ho "t" hanovana anarana ilay vondrona ho "The Turd Force", fenoina aminà vazivazy mikasika ireo toeram-pivoahana sy ireo fihetsiky ny tsinay miolankolana.
Fihetseham-Bahoaka Manohitra Ny Fikasana Hampiakatra Ny Hetra Ao Ekoatora
Somary nampihemotra vonjimaika ny fikasan'ny Filoha hametraka hetra vaovao amin'ny fandovàna sy ny tombony azo avy amin'ny renivola ny fitsidihan'ny Papa Francis an'iEkoatora, niampy ireo hetsi-panoherana ny governemanta.
Fizotran'ny Tantara: Mpikatroka 14 Voatazona ao Thailandy Noho ny Fanoherana ny Fitondra-Miaramila
Niteraka fahatafintohinana tao amin'ny firenena ny fisamborana sy ny fitazonana ireo mpikatroka 14 mpanohitra ny fitondra-miaramila ao Thailandy. Nahatonga ireo mpampianatra sekoly ambony hiantso amin'ny famotsorana tsy misy hatak'andro ireo mpikatroka ihany koa izany.
Nofosafosain'ny Vahoaka Toniziana Ny Governemanta Nohon'ny Tsy Fahombiazan'Ny Fandriampahalemany Taorian'Ny Fanafihana Toeram-Pitsangatsanganana Iray
Nanakiana ny tsy fahombiazan'ny governemanta amin'ny resaka fandriampahalemana ny vahoaka Toniziana vokatry ny fisian'ny fanafihana teny amin'ny toeram-pitsangatsanganana iray teny amoron-dranomasina, namoizana ain'olona miisa 39.
Fanehoan-Kevitra Grika Mirehidrehetra Tamin'ny Fanisana Sisam-Potoana Nataon'ny CNN
Niteraka tadiom-panehoankevitra tao amin'ny fiarahamonina grika an-tserasera ny fanisana ny sisam-potoana mankany amin'ny mahabankirompitra an'i Gresy, nataon'ny CNN.