Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2014

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2014

Nanaraka ireo Mpifanolo-bodirindrina Aminy Ao Azia Atsimo-Atsinanana Amin’ny Fametrahana Lalàna Hentitra Momba Ny Aterineto i Laôsy.

Mihevitra ny kiana atao amin'ny politikan'ny governemanta ho toy ny asa ratsy ilay lalàna vaovao ary mandrara ny "Fanaparitahana vaovao izay manova ny marina na manimba ny fahamendrehana sy ireo zon'ny tsirairay, ny sehatra maro, ny ivon-toerana samihafa sy ireo fikambanana maro."

Latsaky ny 10%-n'ny Tontolo Ambanivohitra Afrikana Atsimon'i Sahara No Mampiasa Herinaratra. Inona No Atao Mba Hanovàna Izany ?

Dimy ambinifolo isan-jaton'ny mponina maneran-tany no miaina aty Afrika nefa ny 3 isan-jaton'ny herinaratra ampiasain'izao tontolo izao ihany no jifainy. Maro ireo fikambanana mitondra karazana tetikasa mba hanazavàna io tanibe io.

Nahoana No Tsipahin'ny Artista ao Singapore Ny Volavolan-Dalàna Hanivanan-tena Natolotry ny Governemanta

Namelona indray ny adihevitra momba ny politikan'ny firenena izay manohintohina ny fahafahan'ny artista ny fanapahan-kevitr'i Singapore handrara lahatsarim-panadihadiana ara-politika iray.

Tiorkia : Sekolin'ny Natiora , Mampahatsiahy Antsika Izay Adinontsika

Doğa Okulu, "Sekolin'ny natiora" any Tiorkia, dia endriky ny fiaraha-miasa eo amin'ny mpikatroka ao an-toerana, ny vondrona ary ny mpitantana ao an-toerana. Tao anatin'ny fito volana dia efa nampianatra zavatra be dia be ny sekoly.