Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Avrily, 2014
Mahomby Ve Ny Fanasaziana Ara-Toekarena ?
Matetika atolotra hamaizana ireo firenena tsy mahomby amin'ny fitantanana ny fanasaziana ara-toekarena. Nahatrarana izany tanjona izany ve anefa ve izany fanasaziana izany?
Jamaika : Maty Ny Jiro Amin'ny Alina ; Afaka Madiodio Ireo Mpanao Politika Voarohirohy Aminà Kolikoly
Mampiady hevitra ny Jamaikana ny fironanan'ny rafi-pitsarana noho ny fanafoanana ny fanenjehana ilay minisitry ny Parlemanta taloha taminà kolikoly manala baraka, isan'izany ilay fizaràna takamoa
Notsipahin'ireo Mpanao Fihetsiketsehana #CongressOccupied Ny Tolo-kevitry ny Filoha Taiwaney
Nolazain'ny mpikambana ao amin'ny Hetsika #CongressOccupied ho "babangoana, tsy mazavazava ary mandiso fanantenana" ny drafitry ny Filoha Ma momba ny rafitra mpanaramaso ny fifanarahana ara-barotra.
GV Face: Ny Tsiambaratelon'i Etazonia “Twitter Kiobàna”
Nampitodika ny sain'ny mpanara-baovao maro ny namoahana fa nisy paikadin'i Etazonia hanohanana ny fanovana fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny mpanao raharaham-pandefasan-kafatra mitovy amin'i antsoina hoe ZunZuneo ary notaterin'ny vaovao fa Kiobàna an'arivony no voafitaka tamin'ny fisoratana anarana ho amin'izany servisy izany tamin'ny alalan'ny antony hosoka. Hisy fiantraikany ho an'ny mpikatroka nomerika manerantany...
Hetsika Kongresy Voabodo Ao Taiwan, Voadika
Nifamory amin'ny alalan'ny Facebook ny mpandika lahatsoratra anjatony handika amin'ny fiteny hafa ny tantaran'ny fibodoan'ny mpanao fihetsiketsehana ny lapan'ny fanaovan-dalàna ao Taiwan taorian'ny fandaniana ny fifanarahana ara-barotra miaraka amin'i Shina.
Taorian'ny Iray Maty, Matahotra Ny Mety Hanjò Ireo Nalaina An-keriny Efatra Ambiny Ny Iraniana
Nalain'ireo mpikomy ao akaikin'ny sisitanin'i Iran-Pakistan ireo miaramila dimy tamin'ny volana Febroary ary fantatra fa namoy ny ainy ny iray tamin'izy ireo, Jamshid Danaeifard. #FreeIranianSoldiers (Avotsory ireo Miaramila Iraniana) hoy ny Iraniana tao amin'ny Twitter.
Solombavam-bahoaka Tajik Manohitra Ny Fifanambadian'ny Mpianadahy Tsy Omby Kibo
Liana amin'ny fanovàna ny lalàna mifehy ny fanambadiana i Saodat Amirshoeva, solom-bavam-bahoaka vehivavy any Tajikistan. Miteny ny Parlemanta izy amin'izao fotoana izao mba hanao lalàna mandràra ny fifanambadian'ny mpianadahy tsy mby kibo.
Shina : Ny Fiantohana Amin'ny Setroka, Vahaolana Farany Amin'ny Fahalotoan'ny Rivotra iainana
Ny fiantohana amin'ny setroka, izay voalohany amin'ity karazany ity, dia mikendry ireo mpivahiny sy ireo mponina any amin'ny tanàna fito any Shina. Niaina tao anaty fahalotoan'ny rivotra iainana nandritra ny taona maro ny tanàna sasany.
Malezia : Manosika Fotokevitry Ny Tsikombakomba Ny Misterin'ilay Fiaramanidina MH 370
Herinandro taorian'ny niandrasana ny valinteny tamin'ny tsy fahitàna ilay fiaramanidina MH370 sy ireo mpandeha 239 dia nisy fotokevitra marobe momba ny tsikombakomba nivoaka mba hameno ny banga momba ny zava-nitranga.