Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Desambra, 2013
Ara-dalàna Ny Famokarana Sy Fivarotana Zava-mahadomelina “Marijuana” Ao Orogoay
Vato 16 manaiky, 13 mitsipaka, nankatoavin'ny Antenimieran-doholona Orogoaiana ny tolo-dalàna izay manao ny famokarana sy fanapariahana marijuana ho ara-dalàna. niteraka onjam-panehoana fomba fijery, na avy ao an-toerana, na avy amin'ny iraisam-pirenena
Na Handrotsaka Na Hanakana Ny Fanambadian'ny Mitovy Fananahana i Kroasia
Tamin'ny 1 Desambra 2013, nandeha nifidy tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka izay manolotra ny famaritana ny mariazy ho fiarahan'olo-ndroa eo amin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray ho anaty lalàmpanorenana ny olom-pirenena Kroaty.
Ilay Mpisolo Vava Tsetsena sy ilay Kolonely Rosiana Maty
Manenjika ny mpisolo vava Tsetsena iray ny Kaomity Mpanadihady Rosiana noho ny kolikoly tamina raharaha iray, manavotra izany ny filoha Tsetsena Ramzan Kadyrov.
SARIPIKA: Toeram-pahatsiarovana 5 Ao Santiago, Chile
Mitari-dalana antsika amin'ireo torana manan-tantara sy misy tsangambato mifandraika tamin'ny fanonganam-panjakana miaramila nitranga tany Chile sy ny fiantraikan'izany tao an-drenivohitra Santiago ny bilaogera Lillie Langtry.
Rehefa Tapitra Ve Ny Ainy Vao Ho Afaka Madiodio Ilay Voaibe Rosiana Khodorkovsky?
Efa voalahatra hivoaka ny fonja amin'ny taona hoavy i Mikhail Khodorkovsky, voaibe ao Rosia faran'izay mangidy hoditra sady gadra politika malaza, saingy misy ankehitriny ireo famantarana fa mety hiatrika vesatra heloka bevava vaovao izy [ru] alohan'ny hahafahany hifoka rivotra madio
Ny Basy Volamenan'ny Parlemanta Rosiana
Ny Talata lasa teo, noporofoin'ny solombavambahoaka roa fa mbola manana ady sasantsasany tavela ao anatiny ao ny Duma Rosiana, rehefa tonga hatrany amin'ny fifamelezana totohondry tao an-dalantsaran'ny parlemanta izy ireo
Vovonana Erantany Momba Ny Demaokrasia 2013 Mikatsaka Fampifandraisana Ny Olom-pirenena Sy Ny Andrim-panjakana
Izay rehetra tsara ho fantatra mikasika ny Vovonana Erantany ,momba ny Demaokrasia 2013 tao Strasbourg, notovanana ny fomba fijerin'ny tena manokana.
Fihetsiketsehana 10 Tao Bangkok Saika Nahahongana Ny Governemanta
Tamberin'ny fihetsiketsehana an-dalambe feno fahasahiana tamin'ny 2008 sy 2010 tao Bangkok manampy antsika hahazo bebe kokoa ny krizy politika mitranga ao Thailand amin'izao fotoana izao.
Loharanon'Angovo 5 Tsy Tsara Trandraka Ao Afrika
Mbola mizaka matetika loatra ny olan'ny fampifandimbiasana fanapahan-jiro ny ankamaroan'ireo firenena ao Afrika, izay manakana ny firosoana ara-toekareny. Kanefa tsy ny loharanon'angovo akory no tsy misy. Ity ny lisitr'ireo loharanon'nagovo izay tena tsy tsara trandraka ao Afrika ao
Sambany i Iceland Mitomany Taorian'ny Namonoan'ny Polisy Lehilahy Iray
Lohateny lehibe tsy mbola nisy toa azy tao Iceland tamin'ity herinandro ity — lehilahy iray notifirin'ny polisy ho faty. "Tohina ny firenena iray manontolo. Tsy mitranga eto amin'ny firenentsika io "