· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Avrily, 2013

Bodista Manontany Ireo Bodista Henjam-pihetsika

  16 Avrily 2013

Maro amin'ireo Sinhla Buddhists no mijoro manohitra ilay herisetra vao haingana teo natao tamin'ireo Silamo sy ny fivavahana hafa, ary ireo lahateny feno fankahalana nataon'ny Bodu Bala Sena (hery Bouddhiste), fikambanana iray Sinhala-Buddhist mahery fihetsika miorina ao Colombo (Sri Lanka). Naparitaky ny mpitandro filaminana sy ireo bodista mahery fihetsika ny fiaretan-tory iray nitondràna labozia tao Colombo renivohitr'i Sri Lanka, nokarakarain'ny vondrona Faceboob 'Buddhists Questioning Bodu Bala Sena’.

Fifidianana Filohampirenena Madagasikara: ireo kandidà efa nirotsaka sahady

  15 Avrily 2013

Tapaka fa amin'ny Alarobia faha-24 Jolay 2013 no hotanterahina ny fifidianana Filohampirenena any Madagasikara. Nisokatra ny Alatsinainy 8 Aprily hoan'ireo kandidà kosa ny fanaterana ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana. Araka ny tatitra nataon'i JR ao amin'ny vohikala aoraha.com, ireo kandidà efa nirotsaka sahady dia: Tsy niandry ela fa kandidà telo avy hatrany no nirohotra nanatitra ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Filohampirenena tetsy amin’ny birao misy ilay Vaomiera manokana misahana ny raharaham-pifidianana tetsy Ambohidahy, omaly [ndlr. Alatsinainy 8 Aprily] […] Praiminisitra lefitra misahana ny Fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo […] ny filohan’ny antoko Mts, Roland Ratsiraka […] ny mpitarika ny antoko Psdum, Lahiniriko Jean. Narahin’ireo...

Bhutan Mizotra Ho Any Amin'ny Voajanahary Manontolo

  14 Avrily 2013

Ny Fanjakan'i Bhutan Himalayan, diso fantatra loatra amin'ilay "Gross National Happiness" , na maridrefin'ny hasambarana, nasolony ny hoe Harin-karena Faobe, dia nametraka ho tanjony ny fanatratrarana ny toeran'ny firenena voalohany eto an-tany mitodika manontolo amin'ny voajanahary.

Filipina: Fanentanana “Arovy ny Helo-dranon'i Manila”

  12 Avrily 2013

Vondrona maro ao Filipina no nanao fanangona-tsonia omena ny governemantan'ny tanànan'i Manila mba hitaky ny fanafoanana ny fifanekena hanongotra ny voary mandrakotra tany 148 hekitara ahitana nosy telo ao amin'ny helo-dranon'i Manila. Toerana malaza hijerena masoandro mody ny helo-dranon'i Manila. Nisy ny fanangona-tsonia an-tserasera natao hanasana ny olona hanohana ity fanentanana ity: Endrika miavaka ny masoandro mody...