Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Marsa, 2013
Atahorana Ny Fisondrotam-bidin'ny Tapakila Noho Ny Nandravàn'i Shina Ny Ministeran'ny Fitaterana An-dalamby Novesaran-trosa
Nanapa-kevitra i Shina ny handrava ny ministeran'ny fitaterana an-dalamby matanjaka saingy bokan-trosa tao aminy mba hampakàrana ny fahafahan'ny governemanta miasa tsara sy hiadiana amin'ny kolikoly, hetsika iray izay ahiahian'ny maso amin'ireo Shinoa mpampiasa ny aterineto ho midika fisondrotam-bidin'ny tapakila atsy aoriana atsy.
Andian'Olona Tezitra ao Pakistan Mandoro ny Tanàna Kristiana Manodidina Azy Ireo Ao
Noho ny Fiampangana ho nanao fitenenan-dratsy ara-pivavahana, dia nisy andiana miozolomana 3000 nandoro trano 100 tany Joseph Colony, tanàna kristiana an-tsisitsisiny lehibe iray ao amin'ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao Pakistan dia i Lahore, tamin'ny Asabotsy 9 Marsa 2013.
Moldovia Tsy Misy Governemanta: Inona No Tohiny – Atsinanana sa Andrefana?
Ny 5 Martsa, nolanian'ny Parlemanta Moldavy ny fitsipaham-pitokisana, itsipahana [ro] ny governamanta fiaraha-mitantan'ireo antoko telo mankasitraka ny fiarahana amin'i Eoropeana, notarihan'i Vlad Filat. Herinandro vitsy tany teo aloha teo, i Moldovia no tahaka ny fanantenana lehibe tany amin'ny sisintany Atsinanan'ny Fiombonambe Eoropeana. Mizotra mankany aminà krizy politika henjana izy ankehitriny....
Ekoatora: Herintaona Izay No Lasa Hatramin'ny Nitànana An-tranomaizina An'ireo '10 Avy Any Luluncoto’
Herintaona izao no lasa hatramin'ny nitànana ireo "10 avy any Luluncoto", olom-pirenena voampanga ho nikasa hanao asa fampihorohoroana. Fihetsiketsehana maro no natao teo ivelan'ny fonjam-behivavy Inca, tany avaratr'i Quito, ary miandry ny famoahana haingana an'i Abigaíl Heras sy Cristina Campaña, roa amin'ireo voampanga izay efa nandany herintaona an-tranomaizina ny vahoaka.
Mahatezitra Ny Mpisera Ety Anaty Aterinetio Ny Toetran'ireo Parlemantera Okrainiana Mpanitsakitsaka Lalàna
Nahavita nanao fampielzankevitra kely tey anaty aterineto i Vadym Kolesnichenko, solombavambahoaka avy amin'ny antoko mitondra , rehefa nifanolana taminà vehivavy iray teny amin'ny seranampiaramanidina, izay tsy nanao afa-tsy ny asany.
Fomba Fampiasa Twitter Mety Hanapaka Tarangana Ny Fampielezankevitra Politikanao Ao Rosia
Tany ampiandohan'ity herinandro ity, nahiliky [ru] ny mpitsara iray tao Krasnodar tsy hifaninana ho mpanolotsain'ny tanàna ny mpanao politika iray, taorian'ny nanamarinana fa nandika ny lalàna napetrak'ireo tambajotra sosialy telo malaza ety anaty aterineto ny antontan-kevitra nampiasainy hampielezana hevitra : Twitter, Facebook, sy Vkontakte. Inona marina no tena helok'ilay rangahy...
Fianakaviana Breziliana Very Trano Noho Ny Fiadiana Ny Ho Tompondakan'ny Baolina Kitra
Anatin'ity lahatsoratry ity ny Agência Pública, miresaka aminà Breziliana iray hafa iantraikan'ireo fikarakarana ny Fiadiana ny Tompondakan'ny Lalao Baolina Kitra 2014 . Amin'ity indray mitoraka ity, dia i Elisângela, izay lasa tsy manan-kialofana niaraka tamin'ny zananivavy noho ny famotehana ny tranony tsy nisy fampitandremana tany Rio de Janeiro.
Melohin'ny Fiangonana Katolika Ny Lalàna Fanamombàna Any Panama
Namoaka lalàna izay mamela ny vehivavy 23 taona no miakatra izay manan-janaka roa na mihoatra hisafidy malalaka ny ho momba ny Antenimieram-Pirenena Mpanao lalàna tamin'ny 23 febroary 2013. Nolazain'ny Fiangonana Katolika ho fepetra mihoa-pefy izany ary nangatahany ny hanasiam-panovàna. Mandritra izany, mizarazara ihany koa ireo Panameana, ho amin'ireo mahita ilay...
Niteny ny Filohan'i Iran hoe “Hiara-HIverina amin'i Kristy i Chavez”
"Tsy isalasalako fa hiverina hiaraka amin'i Jesoa Kristy sy ireo olo-marina hafa i Chavez," Hoy ny hafa-pampiononana nataon'i Ahmadinejad tamin'ny fahafatesan'i Chavez
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...