Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Janoary, 2013
Madagasikara: Nahoana Rajoelina No Tsy Nilatsaka Hofidiana Ho Filohampirenena?
Taorian'ny fanambaran'ny filohan'ny tetezamita Rajoelina tsy ho kandidà izay nanaraka ny an'ny filoha teo aloha Ravalomanana tamin'ny desambra 2012, hanana filoha vaovao izany ny malagasy amin'ity taona 2013 ity, ka hoe hotontosaina araka ny fotoana efa niomanana ny datim-pifidianana. Maro ny mpanara-baovao no tsy dia matoky loatra amin'ny fanatanterahana ny fifidianana...
Vory Lanona Mamonjy ‘Fitroaran'ny Olom-pirenena’ Ireo Maleziana
Folo an'arivony ireo tonga namonjy ny ‘Himpunan Kebangkitan Rakyat’ (adika ara-bakiteny hoe Fitroaran'ny Fivoria'ny Olom-pirenena) ao Kuala Lumpur, Malezia ny andron'ny 12 Janoary 2013, izay nokarakarain'ny Firaisamben'ny Mpanohitra Pakatan Rakyat ka nampitombo ny heriny izy ireo amin'izao fotoana mialoha ilay fifidianana faobe nambara fa hotanterahina amin'ity taona ity. Nanasongadina ny...
Hisongona An'i Etazonia i Shina Amin'ny 2049?
ny tatitra iray navoakan'ny Akademia Shinoa Momba ny Siansa tamin'ny 8 Janoary 2013 dia miteny fa tahaka ny hisongona an'i Etazonia amin'ny sehatra rehetra i Shina amin'ny 2049, ary ho avy ny fiverenan'ny firenena Shinoa amin'ny fahatanorany. Niteraka eso mahatsikaiky tao amin'ny Sina Weibo ilay fanambaràna, nahitàna ireo mpisera ety...
Nanaitra An'i Shina Ny Fanalàna Ny Sivana Tamin'ny “V for Vendetta”
V for Vendetta, sarimihetsika iray mampitaintaina, izay efa voaràra hatrany amboalohany tao Shina, novokarina tamin'ny 2005 momba ny fiarahamonina nofinofy iray amin'ny hoavy, no nalefa tao amin'ny China Central Television Station (CCTV) fantsona 6 ny 14 Desambra 2012. Maro no gaga tamin'ny fandefasana azy ity.
Manjavona Ireo Toerana Mahaleotena Fijerena Horonantsary Tany Japana
Miala tsirairay eo amin'ny sehatry ny fandraharahana ireo toerana mahaleotena fijerena horonantsary ao Japana. Nanova ny endrik'ireo araben'i Tokyo ny onjan'ny fanakatonana ireo toerana fijerena horonantsary. Very toerana ireo olona izay zatra miaraka sy mandany fotoana tany amin'ireo teatra ntaolo ireo.
Banda, Filoha Zambiana Teo Aloha Miresaka Ny Fahareseny Tamin'ny Fifidianana 2011
Nanambara ny Filoha Zambiana teo aloha Rupiah Banda, avy amin'ny antoko MMD, izay resin'ny filoha ankehitriny, Michael Sata avy ao amin'ny Mandan'ny Tia Tanindrazana (Patriotic Front (PF) tamin'ny fifidianana 2011 fa tsy nanohitra ny valim-pifidianana izy satria tsy tiany hiatrika ady ny firenena, raha toa kosa ka nivonona tamin'izany ady izany...
Bilaogera Ivoariana Mitsikera Ny Fomba Nifehezan'ny Fitondrana Ilay Saritaka Tao Abidjan
Navotsotry ny polisy ireo Bilaogera Ivoariana Mohamed Diaby sy Cyriac Gbogou rehefa avy notànana vonjimaika. Nandray anjara tamin'ny fananganana sehatra vonjy taitra hamonjena ireo niharam-boina tamin'ny fifanosehana tao Abidjan tamin'ny 1 Janoary 2013 izy roa lahy ireo. Saingy tamin'ny 4 Janoary 2013, nosamborina izy ireo taorian'ny fiampangana azy ho mitsabaka amin'ny ezaka ofisialy famonjena...
Espaina: Taona Vaovao, Fanamby Vaovao, Rafitra Vaovao
[Amin'ny teny Espaniola avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity.] « Tratry ny taona 2013 ! Taona hanavaozantsika ny rafitra». Tamin'ny alin'ny faran'ny taona, izany no sioka voalohany nalefan'i Partido X, Partido del Futuro [« Parti X, Antoko Vaovao»], antoko politika vaovao izay niditra tamin'ny aterineto espaniola tamin'ny fomba manaitra sy...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...