· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Septambra, 2012

Venezoela: Misy Loza Mananontanona an'i Mata Redonda Ve?

  09 Septambra 2012

Mampiasa fampahalalam-baovao an-tserasera ny mponina mpifanolobodi-rindrina ao Mata Redonda, tanànan'i Venezuela ao Maracay, mba hampahafantarana ny loza mety hitranga raha toa ka mirodana ny rindrina manasaraka ny faritra ao amin'ny Renirano Valencia. Nanomboka ny adihevitra taorian'ny fandefasana lahatsary tao amin'ny YouTube sy ny fanaparitahana izany tamin'ny Twitter sy Facebook. Nitondra nankany amin'ny...

Afrika Frankôfôna: Ny Ivotoeram-Piofanam-Pitantanam-Panjakana

  09 Septambra 2012

Tamin’ny volana Febroary 2001, lany nandritra ny fivoriambe tany Windhoek, ao Namibia  ny Sata Mifehy ny Asam-panjakana ao Afrika (PDF). Efa-polo taona taorian'ny fahaleovantena, mampiseho ny fahataran'ny fanomezan-danja ny fitantanam-panjakana momba ny fampandrosoana sy ny fitsinjaran-karena ao Afrika ny fanambarana nivoaka tao Windhoek. Nampisy fihenana ny isan’ny mpiasam-panjakana afrikanina ny fandaharan’asa momba ny...

Vehivavy Iraniana – Miteny ‘Tsia’ Amin'ny Fanerena Hirako-boaly Hijabs Hatramin'ny 1979

Maherin'ny 26.000 ireo olona nanatevin-daharana ny fanentanana iray tao amin'ny Facebook nataon'ny mpianatra Iraniana nangataka ny hampitsaharana ny fanerena ny firakofana voaly (hijabs) any Iran. Telopolo taona no efa nanoheran'ireo vehvavy Iraniana izany, saingy mbola mizaka hatrany ny antsojay ataon'ny mpitandro filaminana eny imasom-bahoaka hatrany izy ireo.

Bolivia: Oraniôma Radioaktifa Notazonina tao La Paz?

  07 Septambra 2012

Tamin'ny 28 Aogositra 2012, noraofin'ny fitondram-panjakana boliviana ny vainga, voalaza fa uranium na singa radioaktifa milanja roa taonina izay niainga avy tamina tranon'olona manokana ao amin’ny  distrika afovoan'i La Paz, manakaiky ny birao diplaomatika maro, [nefa] tsy nahitana fepetram-piarovana na fiambenana natao taminy. Ny Governemanta Carlos Romero no nitarika ny hetsika,...

Palestina: Mipongatra Ny Hetsi-panoherana Ny Fidangan'ny Vidim-piainana Sy Tsy Fisian'asa

Mitombo be ireo hetsi-panoherana any amin'ireo tany Palestiniana, indrindra fa any amin'ireo tanàn-dehibe any amin'ny faritr'i Cisjoprdanie : Hebrona, Ramallah, Betlehema ary Naplouse. Maneho ny hatezerany amin'ny Manampahefana Palestiniana ireo mpanao hetsi-panoherana, noho ny halafon'ny vidim-piainana sy ny taha avoben'ny tsy fisian'asa ho an'ireo tanora Palestiniana

Mali: Azo Sakanana Ve Ny AQMI?

  03 Septambra 2012

Tahaka ny manjavona miaraka amin'ny fotoana mandeha ny vahaolana ho an'ny fifandirana ao Mali. Efa ho dimy volana izao no nisaraka ho roa io firenena io. Mitrandraka ny toe-draharaha marina ao Sahel i Julie Owono.

Maraoka: Lany Andro Ve Ny “Lanonam-panòavana” ?

Ny “bay'a” no anaran'ilay lanonam-panoavana fanao isan-taona izay hanambaran'ireo olo-manan-kaja “dignitaires” manerana an'i Maraoka ny fanoavany na ny fanekeny ny Mpanjaka Mohammed VI. nilaza ny mpitsikera [fr] fa “lanonana mahamenatra sy karazana efa lany daty izao,” ireo nankasitraka kosa nilaza fa mametraka fifanekena an'ohatra eo amin'ny vahoaka Maraokanina sy ny mpitondra izao. Tamin'ny fiandohany,...