Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Avrily, 2012

Indonezia: Nanangana Ny Kaonty Twitter-ny Ny Minisitra Mamim-bahoaka

Taorian'ny fananganana ny kaonty twitter-ny, nibahana tao amin'ny tontolon'ny aterineto ny amin'i Dahlan Iskan, minisitry ny Orinasam-panjakana mamim-bahoaka. Tamin'ny herinandro lasa, afaka naneho ny ahiahiny mivantana tamin'ny minisitra ny mpiserasera sasany tamin'ny alalan'ny Twitter

Sarimiainan'ny Departemantam-Panjakana US Miresaka Ny “Lambam-baravarana Nomerika” Ao Iran

Namoaka sarimiaina milazalaza momba ny lambam-baravarana elektronika tao amin'ny Youtube ny Departemantam-Panjakana US misahana ny fandaharan'asa momba ny Fampahalalam-baovao Iraisampirenena

Frantsa: Mipongatra Ny Tenim-paritra

Ny 31 Martsa 2012, nisy hetsika nifanesy maro natao tany amin'ireo tanàndehibe tany Frantsa, voatariky ny tanjona hampiseho fanohanana tsy misy lesoka an'ireo tenim-paritra sy ireo tenin-janatany. Mitatitra i Rayna St..

Jordania : Lasa Ny Herintaona, Mitohy ny Fifandroritana

Ny faha 24 Ny faha 24 Marsa, 2012 - herintaona ilay Faran'ny herinandro izay nanohina ny Jordania iray manontolo, ka nampisondrotra ny finiavana ho amin'ny fanovana. Io no tsingerintaonan'ilay faran'ny herinandro nanaovan'ny andiam-bondrona isankarazany avy ao Jordania hidina an-dalàmbe tao amin'ny lalàmben'i Amman nanaovana hetsika am-pilaminana ary nifanandrina tamin'ny vondrona...

Bangladesh: Mampahonena ny Zavamisy Iainan'ireo Foko Vazimba Teratany

Ahitana foko teratany 45 (les Adivasis) ao Bangladesh. Monina ao amin'ny tanàna kelin'ny Chittagong Hill Tracts ny iraikambinifolo amin'izy ireo, raha toa kosa ka miely manerana ny firenena ny hafa. Betsaka amin'izy ireo no tsy salama ary iharan'ny fanavakavaham-bolokoditra, fanararaotana ary fampijaliana isan'andro ny sasany amin'izy ireo. Tao anatin'ny fanadihadiana notontosain'ny Fondation Kapeng et Oxfam (Fikambanana...

Gresy: Navoaka Ilay Pretra Voarohirohy Amin'ny Raharahan-tany

Fihetseham-po samihafa no hita teo amin'ireo mpiserasera Grika raha nandre fa noafahana ny pretra Ephraim rehefa nigadra efa-bolana monja , lehiben-drelijiozy ao amin'ny monasteran'i Vatopedi ao an-tampon'ny Athos ao Gresy izy, izay voarohirohy tamin'ny raharaha fifanakaloza-tany teo amin'ny Vatopedi sy ny fanjakana, . Niteraka fandaniana an-tapitrisany euro ho an'ny governemanta...

Syria : Nosamborina tao Damas Ilay Mpikatroka Rima Dali Noho Ny Fanentanany Hampitsahatra Ny Famonoana Olona

"Atsaharo ny famonoana olona. Te hanorina Syria vaovao ho an'ny Syriana rehetra izahay.” Izany no teny hita tamin'ny sorambaventy nolanjain'i Rima Dali teo anoloan'ny antenimieran'ny Syriana ao Damas, tamin'ny Alahady 8 Aprily lasa teo, taorina kely ny nisamborana azy.

Panamà: Mandrisika Ny Filoha Hanasonia Ny Lalàna Miaro Ny Biby Ireo Mpampiasa Aterineto

Nanaiky lalàna vaovao miaro ny biby fiompy ny Antenimieram-pirenenan'i Panamà. Andro maro aty aoriana nefa, mbola miandry ny faneken'ny filoham-pirenena izany lalàna izany. Mandritra izy fotoana izay, miady hevitra mikasika io lalàna io ireo mpampiasa aterineto ao anatin'ireo tambanjotra sosialy, manosika ny fanekena izany amin'ny alalan'ny fandefasan-kafatra mba hangatahana ny...

India: Ny “Fanonganam-panjakana” Izay Tsy Nisy Mihitsy

Omaly (4, Aprily, 2012) lahatsoratra tao amin'ny gazety  Indian Express nitatitra fa nisy ny fikasana hanongam-panjakana nataon’ ireo sampana tafika Indiana roa  tonga tao Delhi tamin'ny alin'ny 16-17 Janoary,  tsy nampandre ny governemanta akory izy ireo tamin'izany. Tsy nanome lanjany  ilay lahatsoratra nivoaka tao amin'ny pejy voalohan'ny gazety Indian Express  anefa ny rehetra...

Filipina: Tsy Voasakan'ny Governemanta Ny ‘Noynoying’

Izay natomboka ho solon'ny fomba fihetsi-panoherana efa voarara planking [mihohoka sahala amin'ny hazofisaka] ankehitriny dia lasa manaitaitra tokoa any Philippines. Amin'ny maha-paozim-panoherana azy, ny ‘Noynoying’ dia mipetraka manodidina fotsiny, mitsilailay amin'ny tany, na mivandravandra amin'ny toerana tsy misy na inona na inona sady tsy manao na inona na inona. Namorona...