· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Septambra, 2011

Nifidy Filoha Vaovao i Singapore

  08 Septambra 2011

Dr Tony Tan dia voafidy ho Filoha fahafito ao Singapore ny 27 volana Aogositra nefa ny elanelan'ny vato nandreseny dia salan'isa 7,269 fotsiny. Nahangona 35.19 isan-jato tamin'ny fitambaran'ny vato fotsiny izy kanefa dia ampy izany handresena ireo Kandida telo hafa tamin'ny fifidiana Filoham-pirenena voalohany tao Singapore tato anatin'ny 18 taona

Angola: Lahatsarin'ny Famoretana Ny Fihetsiketsehan'ny Tanora Tao Luanda

  06 Septambra 2011

Ny Asabotsy 3 Septambra 2011 dia nisy tanora teo ho eo amin'ny 200 teo no nivory tany Luanda, Angola ho fanoherana ny tsy fahampian'ny fahafahana sy ny fitondran'ny Filoha José Eduardo dos Santos nandritra ny 32 taona. Araka ny nolazain'ny vavolombelona dia niafara tamin'ny fikapohan'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana izany fanoherana izany.

Myanmar: Sarintanin'ny Fonja Iaraha-manoro

  04 Septambra 2011

Nisy Sarintanin'ny Fonja Iaraha-manoro ao Myanmar natsangana ho fanohanana ny hetsika fanafahana ny mpanao gazetin-dahatsary ‘Free Burma’. Ny sarintany dia mijery sy manome fampahafantarana fohy momba ny fonja 43 ao Myanmar. Mpanao gazetin-dahatsarin'ny Democratic Voice of Burma miisa 17 no voatazona ankehitriny.

Nizeria: Misaritaka, Miandry Ny Fahatongavanà Vehivavy Iray?

  04 Septambra 2011

Ngozi Okonjo-Iweala (NOI), Minisitry ny Fitantanam-bola vaovao sy Minisitra Misahana ny Toe-karena. Vao haingana kely i NOI no tale jeneralin'i Banky Iraisam-pirenena. Raha vao nanomboka nikotaba ny haino aman-jery mikasika an'io fanendrena azy io, dia tsy nitsahatra niresaka momba an'io vehivavy manam-pahefana ambony indrindra tao amin'ny kabinetran'ny filoha Goodluck Jonathan io ny mponin'ny aterineto .