Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2011

Togo: Fiatoana Kely Taorian'ny Dimy Herinandro Nisian'ny Hetsi-panoheran'ny Mpianatra

Ny tolon'ireo mpianatra avy any Togo, firenena Afrikana Tandrefana, ny mba hanatsaràna ny fepetram-panabeazana dia efa nahatratra ny herinandro faha-diminy ary na eo aza ny fitsaharana kely tato ho ato, mbola avo ny fihenjanana any Lomé renivohitra.Ao anatin'izany ny fampiakarana sy fandoavana ny vatsi-pianaran'izy ireo.

Shina: Mpisolovava Manohana Kandidà Noraràna Tsy Hilatsaka Ho Fidiana

Mitaha amin'ireo olona marobe milaza ny filatsahany ho fidianana tamin'ity taona ity ho fidiana ao amin'ny Antenimieram-bahoaka, ho tantara iray izay mbola tena misarika ny sain'ny maro ny an'i Liu Ping ao Jiangxi , izay nilahatra tamin'ireo kandidà roa hafa , saingy tsy navela hilatsaka tamin'ny fifidianam-paritra

Gresy: “Niteraka ny Demokrasia Isika, Dia Navonointsika!”

Mandinika ireo tweet momba ny hetsi-panoherana tany Athens, Gresy tamin'ny herinandro lasa teo sy ny valin-kafatra mahery setra nataon'ny mpitandro filaminana teny an-toerana i Jasmina Babice.

Pero: Niverina ny Fandriampahalemana ao Puno Taorian'ny Fifanarahana

Tamin'ny alalan'ny fampihàrana ilay fifanarahana vaovao narafitra farany, dia niverina tsikelikely ny fandriam-pahalemana tao amin'ny faritr'i Puno, ao amin'ny faritra atsimon'ny Andes Peroviana, taorian'ny fifandirana sy ny korontana ara-tsosialy faramparany teo (izay samy mifandray amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany[es] avokoa), izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona enina, maherin'ny 30 no naratra ary...

Sina: Tsy hatahorana ve ny “pastèque mipoaka”?

Volana vitsy lasa izay dia nilaza ny olana iainan'ireo mpamboly ao amin'ny faritanin'ny Jiangsu ny media sinoa, olana izay nilazan'izy ireo fa mipoaka ny pastèque amboleny vokatry ny fampiasana zezika sy akora simika tsy an-kiato. Tamin'ny 5 jolay 2011, nanamarina ny minisiteran'ny fambolena fa ny akora ampiasaina hampitomboana haingana ny pastèque...

Maraoka:Mitohy ny Fihetsiketsehana Manohitra ny Fanovana

Tamin'ny Zoma 8 jiona 2011, nandatsa-bato tamin'ny fitsapakevi-bahoaka ny vahoaka Maraokana tamin'ny volavolan-dalampanorenana naroson'ny Mpanjaka Mohammed VI. Mampiseho ny fanohanana goavana ny fanovana ny valim-pifidianana ofisialy, izay 98 isan-jato no nisafidy ny ‘Eny’ avokoa. Nitaky ny fametrahana ny fitondram-panjaka parlemantera  ahitana fisaraham-pahefana mangarahara tanteraka ny mpanao fihetsiketsehana ho amin'ny demokrasia. Amin'ny...

Mozambika: Ilay Kitapo Hiadiana Amin'ny Fahantràna Niteraka Resabe

Ao Mozambika, niteraka fifandroritan-kevitra teo amin'ny samy olom-pirenena ny iray amin'ireo fepetra naroson'ny governemanta mba hanamaivanana ny fiantraikan'ny sondrom-bidim-piainana amin'ny vahoaka. Na betsaka aza ny fanantenàna, dia nambàra ny “fanafoanana” io Kitapo misy ny Filàna Fototra io ny 16 Jona.

Rosia: Ireo Hagaigen'ny Ministera Tao Amin'ny Aterineto

Ny Ministera Rosiana misahana ny Raharaham-Bahiny (MVD) dia vao avy nanomboka fanentanana tao amin'ny Aterineto ary tato anatin'ny tapa-bolana dia hetsika goavana roa no nahasarika ny saina tamin'ireo hetsika nataon'ny Ministera.

Maraoka: Lalam-panorenana Vaovao Tsy Misy Fanovana Betsaka

Nandeha nandatsa-bato tamin'ny fitsapakevim-bahoaka ny mponina Maraokanina androany  mba hifidy ny lalam-panorenana vaovao natolotry ny Mpanjaka  Mohammed VI. Na dia nankatoavin'ireo mpanadihady marobe sy mpakasitraka ny mpanjaka tokana aza ny fanovana natao,  dia tsy namaly ny hetahetan'ny mpanao politika sy ny mpitolona izay niandrandra demokrasia tena izy, ahitana fisaraham-pahefana sy fiafaran'ny...

Armenia:Mangataka Ny Hanatsaharana Ny Famonoana Ny Alika Mpirenireny Ireo Mafana Fo Mpiaro Biby

Fampiasana ireo fitaovam-pifaneraserana ara-tsosialy tsy mbola fahita no notontosan'ireo mafàna fo mpiaro biby any Kaokazy Atsimo andro vitsivitsy lasa izay, tamin'ny fangatahan'izy ireo ny hanatsaharana tsy misy hatak'andro ny famonoana miharo habibiana mianjady ny alika mpirenireny tamin'ny alalan'ny fanesehana fangatahana sy antso tao amin'ny pejy Facebook-n'i Karen Karapetyan ben'ny tanànan'i...