· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Marsa, 2011

Azerbaijan: Maro Ny Fihetsiketsehana, Maro Koa Ny Fisamborana…

Taorian'ny hetsi-panoherana nataon'ireo tanora mafàna fo omaly tao Baku, renivohitr'i Azerbaijan, nanao ny azy koa androany ireo mpanohana ny antoko mpanohitr'i Musavat. Nalaina tahaka ihany koa tamin'ny hetsiky ny mpandàla ny demaokrasia tany Ejipta sy Tonizia, tsy tena goavana toy ireny ilay hetsika fa raha ny vivavina dia vitsivitsy ka hatramin'ny anjatonjatony eo ny olona tao, saingy nafonja ihany ilay izy.

13 Marsa 2011

Maraoka: Ny kabarin'ny Mpanjaka ao amin'ny Twitter

Tamin'ny Alarobia, nanao ny lahateniny voalohany ho an'ny firenena ny Mpanjaka Mohammed VI hatramin'ny nisian'ny fihetsiketsehana mandàla ny demokrasia. Tsy niteny mivantana momba ny hetsika, fa nampanantena "fanovàna lalampanorenana mazava" sy fitsapakevi-bahoaka momba ny "fitsinjaram-paritra tsara," mikendry izay hanomezana fahaleovantena tanteraka ny faritra manoloana ny governemanta izy

11 Marsa 2011

Panama: Hofoanana ny lalàna manova ny fehezan-dalanan'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany

Ny 3 Martsa, nanome toky ny hanafoana ny lalàna izay manova ny fehezan-dalànan'ny fitrandrahana any Panama ny Filoha Ricardo Martinelli. Voarain'ireo Panamaniana tamin-kafailana ireo vaovao izay nahita ny fanovana ity fehezan-dalàna ity ho fanafihana ny tontolo iainana. Nipoitra avy hatrany tany amin'ireo tamban-jotra sosialy ireo fihetsehim-po.

08 Marsa 2011

Meksika: Miteraka fisahotahana ny mety ho fanasivanana fanadihadiana

Ny mpitsara Meksikana iray dia nibaiko ireo teatra hampiato mandritra ny fotoana voafetra ny fandefasana ilay fanadihadiana Meksikana malaza Presunto Culpable [es] (Voalaza fa Meloka). Ny mpanatontosa ilay horonantsary, tao aminà fanambarana navoaka tao amin'ny vohikalany [es], dia manambara fa ho tohizana ny fandefasana ny fanadihadiana raha tsy maharay didy avy amin'ny governemanta na ny fitsarana ry zareo. Miadihevitra mavitrika momba izany ny tontolon'ny blaogy Meksikana, ary mifantoka indrindra amin'ny fanivànana sy fahalalahana maneho hevitra.

06 Marsa 2011