Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Janoary, 2011

14 Janoary 2011

Jordania: Mety Hitarika amin'ny fialàn'ain'ny Governemanta Arabo maro Hafa ny Fanoherana Toniziana

Arakaraky ny itohizan'ny herisetra, dia toy izany koa ny valin-kafatra sy ny fanehoan-kevitra ao Jordana. Maro ireo Jordaniana mpampiasa twitter no nifantoka tamin'ny fanakianana ny Filohan'i Tonizia , Zine El Abidine Ben Ali. Ny hafa mihevitra fa ny korontana mitranga any Tonizia dia hanome hevitra ny vahoaka any amin'ny firenena...

13 Janoary 2011

Libanona: Mpikambana iraikambinifolo tao amin'ny Kabinetra nametra-pialàna, governemanta voaongana

Vaovao lehibe maro avy amin'ny tontolo Arabo no azo tamin'ity hariva ity satria toa hoe hirodana ny governemanta Libane, nanaraka ny fametraham-pialàn'ny mpikambana 11 tao amin'ny kabinetra. Ireo mpikambana ao amin'ny kabinetra, ny mpikambana rehetra na ireo mpiara-dia amin'ny Hezbollah, dia nametra-pialàna noho ny tohan-kevitra avy amina tatitra iray nataon'ny...

Malezia: Mamaly Fanontaniana ao amin'ny Twiter ny Praiministra

Ny tenifototra #tanyanajib, izay midika hoe ‘anontanio an'i Najib’ amin'ny teny Malay, dia lasa lohahevitra ifanakalozana ao amin'ny twitter tamin'ny Talata lasa teo. Izany dia mifandraika amin'ny filazàn'ny Praiministra Maleziana, Najib Razak fa hoe hamaly ioreo fanontaniana alefan'ny mponin'ny aterineto ao amin'ny twitter izy.

11 Janoary 2011

Sina: Io àry! 77 yuan isam-bolana ny hofan-trano

Mba hanehoana ny fijeren'ny CCP (Antoko Kaominista Sinoa) ny fiainan'ny olon-tsotra, dia nandefa ny fitsidihin'ny Filoha Hu Jintao ny fianakaviana kely fidiram-bola tao Beijing tamin'ny 30 Desambra taona 2010 ny fandaharan'ny tambajotram-baovao CCTV. Na izany aza, ny fifampiresahan'ny Filoha Hu sy i Guo Chunping, nambara fa solotenan'ireo mponina kely fidiram-bola,...

Sodana: Fitsapan-kevibahoaka momba ny fahaleovantenan'ny Sodana Atsimo, ao amin'ny Twitter

Nandeha nandatsa-bato androany (9 Janoary) ireo Sodane mpifidy tmba hanapa-kevitra na hjisintaka na hijanona ihany ho isan'i Sodana. Fehina tweets mikasika ny fitsapan-kevibahoaka ity. Azonareo atao ny manaraka mivantana ireo Tweets amin'ny fampiasàna ny tenifototra #SudanRef.

Rosia: Tetikasa Ushahidi mitatitra ny olan'ny Ririnina Rosiana

10 Janoary 2011

Amerika Latina : tamberina ny taona 2010

Tamin'ny 2010 no nisy horohorontany goavana indrindra namely an'i Chili, filoham-pirenena nandray ny asany, ny filoha any Argentine teo aloha nodimandry tampoka, ny loka Nobel momba ny literatiora nomena ilay terantany avy any Peru Mario Vargas Llosa, ary ny Global Voices nanao ny fihaonana an-tampony tany Santiago, Chili. Andeha hiverenantsika ireny...

Hongria: Fanentanana ho fanamaintisana manerantany

Ireo olon-tsotra mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra dia miezaka mitazona ny haavon'ny fandrakofana iraisampirenena amin'ny alalan'ireo fitaovam-pifandraisana ao amin'ny aterineto. Vondrona iray antsoina hoe Blackout for Hungary (Haizina ho an'i Hongria) no nanainga fanentanana iray maharitra 24 ora nanomboka tamin'ny 5 Janoary teo hanoherana ilay lalàna vaovao momba ny media...

08 Janoary 2011

Tonizia : “tsy matahotra intsony izahay!”

Mihamanatona ny faran' ny taona fa any Tonizia kosa dia mikorontana noho ny firohotana ara-tsosialy izay heverin'ny mpitoraka bilaogy maro fa hitondra fiovana lehibe eo amin'ny firenena. Noho ny fanivanana ny aterineto sy ny haino aman-jery Toniziana, dia fahazarana ny mampahafantatra sy mikarakara ny fanoherana mandritra ny 13 andro amin'izao...

Côte d'Ivoire : Sehona habibiana ao amin'ny fonja be gadra indrindra

Misy video mampikorontana ny fiaraha-monina Ivoriana amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao. Ahitàna ny miaramila midaroka gadra - voalaza ho mpomba an'i Alassane Ouattara - ao amin'ny MACA, fonja any Abidjan. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny krizy ara-politia any Cote d'Ivoire, am-polony ireo olona nosamborina tany Abidjan noho ny fironany ara-politika, ary nogadraina...