· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Aogositra, 2010

Inde: Maty nisy namono ilay mafana fon'ny RTI

  03 Aogositra 2010

Tamin'ny faha-20n'ity volana ity , maty novonoin'ny lehilahy roa mitam-basy tsy fanta-piaviana manohitra ny Fitsarana Avo Gujarat any Ahmedabad , any Inde, i Amit Jethwa ilay manampahaizana manokana momba ny tontolo iainana sady mpanao fihetsiketsehana miaro ny Zo hahazo vaovao (RTI). Manao hetsika arahin'ny hasosorana sy hatezerana ireo mponina amin'ny aterineto .

Qatar: Mizaka ny fanovàna laharan'antso ho isa valo ireo mponina

  01 Aogositra 2010

Ao anatin'ny ezaka ho fiatrehana ny filàn'ny ampitso, novain'i Qatar ny ankamaroan'ireo laharan'antso rehetra na finday na ny mampiasa tariby, miala amin'ny isa fito hanjary ho valo. Mitaraina ny mponina, saingy mahita fa toa mora ihany tsy araka ny noeritreretina ilay fiovàna.

Madagasikara: Ambany fiarovan'ny tafika manokana ny fanimbana ny ala

  01 Aogositra 2010

Nanazava ny fomba nanaovany fanadihadiana miafina nandritra ny herintaona sy tapany[fr] izay nandraisany anjara tamin'ny tatitra mitondra ny lohateny hoe  “Between Democracy and Conservation” [An-tsampanan'ny demaokrasia sy ny Fikajiana (ny tontolo iainana)] ny mpikaroka malagasy iray . Nambarany ary fa notontosaina lavitra ny task force tarihin'ny fitondrana ity fanadihadiana ity ka faly...