· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Aogositra, 2009

Angola : Nisy namono ny solombavambahoaka avy ao amin'ny antoko matanjaka iray

  13 Aogositra 2009

Notairin'ny herisetra indray i Angola ny alin'ny faha-29 volana Jolay lasa teo. Notifirin'ny olona telo lahy tany amin'ny sisin'ny renivohitra Luanda i Beatriz Salucombo, solombavam-bahoaka avy ao amin'ny antoko politika mitondra MPLA sy ny anadahiny Antonio Neves, tompon'andraikitra ao amin'ny sampana mikarakara ireo vahiny sy mpifindra monina (SME). Bala maro...

Azia atsimo atsinanana: ny aterineto sy ny fitiavan-tanindrazana

  07 Aogositra 2009

Miha-mampiasa ny aterineto hanaovana fampielezakevitra ny vondrona tia tanindrazana isan-karazany any Azia Atsimo Atsinanana. Na dia ny mpitondra politika aza dia mampiasa araka izay tratra ny serasera hampiroboroboana ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny fireneny. Mandrisika tokoa izany fironana izany rehefa manome fahalalahana ny olom-pirenena tsotra haneho ny fifikirany...

Fipoahana bomba: nahafatesana olona sivy tany Indonesia

  06 Aogositra 2009

Nisehoana asa fampihorohoroana indray tao indonezia [naotin'ny tonia:tamin'ny volana jolay]. Bomba roa no nipoaka tao Jakarta renivohitra indonezia tamin’ny zoma lasa teo. Araka ny voalazan’ ny vavolombelona dia tamin’ny 07:40 maraina no nahenoan’izy ireo ny fipoahana voalohany avy ao amin’ny JW Marriott, ary 2 minitra taorian’izany dia nirefotra ny bomba...

Gabon: Kandidà mampiasa media sosialy amin'ity fifidianana filoham-pirenena manan-tantara ity

  04 Aogositra 2009

Raha eo am-piomanana ny fifidianana voalohany taorian'ny nahafatesan'i Omar Bongo i Gabon dia indro misy kandidà iray miezaka ny mampiditra ny tenany ho ao anatin'ny tantara amin'ny alalan'ny fampiasana ny media sosialy. Nody any Gabon hilatsaka ho fidiana amin'ny maha-kandidà tsy miankina ny mpanao gazety sady talen'ny Institut Edith Stein any Frantsa Atoa Bruno Ben Moubamba. Anisan'ny mpifaninana aminy ny Praiminisitra amin'izao fotoana, Jean Eyeghe Ndong, sy ny zanakalahin'i Bongo. Miezaka ny mampakatra ny haavon-dalao i Moubamba.

Pakistan: Niverina ny rariny?

  03 Aogositra 2009

Namoaka didy ny fitsarana any Pakistan tamin'ny zoma 31 Jolay fa mandika ny lalampanorenana sy tsy ara-dalàna ny fanapaha-kevitry ny filoha teo aloha dia ny Jeneraly Pervez Musharraf tamin'ny 3 Novambra 2007, dia ny filazana ny filazana ny tany ho latsaka an-katerena sy ny fandefasana ny mpikambana rehetra ao amin'ny fitsarana tampony hody sy napetraka tamin'ny toerana iray harahi-maso manokana.