Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana

Misarika ny saina amin'ny #DalitLivesMatter ny Indiana

Mijery akaiky ny iray amin'ireo mponina mahantra indrindra ao amin'ny firenena ny Indiana rehefa nentanin'ny aingam-panahy tamin'ny hetsika #BlackLivesMatter.

Lasa sesitany rehefa avy any am-ponja: antsafa nifanaovana tamin'ilay mpikatroka Vietnamiana Tran Thi Nga

Gadra politika teo aloha noho ny fanehoan-kevitra miresaka momba ny niainany taorian'ny nisamborana azy sy ny fiantraikan'ny famonjana azy teo amin'ny fianakaviany.

Tranonkala sôsialy shinoa miampanga ny Fetiben'ny fihinanana hena alika ao Yulin

Niteraka fampiakarampeo mafy tety anaty tambajotra, tonga hatramin'ny fanaovana antso hanaovana ankivy ilay hetsika, ny fetibe fanao isantaona atokana ho an'ny hena alika ao Yulina, faritanin'i Guangxi, atsimo-andrefan'i Shina

Feminista sy mpiaro mpiasa ao Meksika, miatrika andiam-pisamborana sy fampidirana am-ponja

Fandrahonana, fisamborana ary fampidirana am-ponja no nitranga tao anatin'ny 15 andro latsaka.

Kasain'i Timor-Leste haverina ampiharina ny lalàna manameloka ny fanalambaràka, na eo aza ny ahiahy momba izay fiantraikany amin'ny fahalalahana maneho hevitra

"Loza mitatao ho an'ny rehetra io tolodalàna io, indrindra fa ireo olona marefo tsy manana fifandraisana politika na tsy manam-bola. "

Mamorona fitaovana anti-viriosy vita an-toerana i Mozambika

Notoroan'ny governemanta ny vahoaka hanamboatra maska vita ao an-toerana amin'ny fampiasana capulanas – fitafy nentim-paharazana Mozambikana anaovan'ny vehivavy amin'ny ankapobeny – sy ireo fitaovana hafa efa mety ho vonona avy hatrany.

Iza avy ireo ‘mpirotaka’ mety higadra taorian'ny hetsi-panoherana fandroahana olona ho any Shina tao Hong Kong?

Ny ampahatelon'ny mpirotaka miisa 612 miandry ny fitsarana azy no tanora latsaky ny 20 taona, raha farafahakeliny 14 no latsaky ny 16 taona.

Hagagàna tamin'ny tsy nanavaozan'ny Praiminisitr'i Papua New Guinea ny lisansa fitrandrahana volamena ho an'ny orinasa goavana iray

Niteraka adihevitra mafana amin'ny fiantraikany ara-toekarena sy ny hoavin'ny sehatra fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ao Papua New Guinea ny fahapahan-kevitra tsy hanavao ny fifanarahana amin'ny sehatra fitrandrahana harena ankibon'ny tany goavana iray.

Fihibohana henjana ho an'ny faran'ny herinandro tao Azerbaidjana, taorian'ny fitomboan'ny tranga COVID-19

Arakaraky ny fivoaran'ny valanaretina COVID-19 ao amin'ny firenena ato anatin'ny andro hoavy, mbola azo sainina ny hisian'ny faran'ny herinandro hafa hanaovana fihibohana.

COVID-19 sy hantsana nomerika anatin'ny rafitra fampianarana ao Trinidad & Tobago

Isika tsy maniry toedraharaha iray hoe lasa loza mitatao be mihoatra noho ny COVID-19 ny fanilikilihana ireo mpianatra