Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Aogositra, 2024
Fafan'i Azerbaijan mialoha COP29 ireo mpitsikera
Manana ny iray amin'ireo firaketana iraisampirenena ambany indrindra momba ny zon'ny olom-pirenena sy ny fahalalahan'ny olom-pirenena i Azerbaijan ary nanizingizina ny filoha Aliyev fa voamarina ny fanenjehana ny fiarahamonim-pirenena.
Ho fandravana ny demôkrasia, nofoanan'ny fitsarana thailandey ny antoko mpanohitra voalohany
"Ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana dia tokony ho fikambanana miaro ny Lalàmpanorenana sy ny zo araka ny Lalàmpanorenana. Fa izao izy fikambanana manitatra ny fahefam-panjakana sy mametra ny zon’ny olona sy ny fahalalahan’izy ireo."
Ao Tiorkia, tafa an'arabe nandefasana olontsotra iray ho any am-ponja
Ny "faniratsiràna filoha" sy "fandrisihana fifankahalàna ary fifandrafesana eny anivon'ny vahoaka" no roa isan'ireo vesatra mahazatra anenjehan'ny governemanta ao Tiorkia ireo mpitsikera.
‘Tsy manana na inona na inona afa-tsy ny fonay sy ny sainay izahay’: Vietnamiana mpikatroka voaheloka higadra dimy taona
"Ny hany zavatra nataonay dia ny manao zavatra mifanaraka amin'ny feon'ny fieritreretanay, milaza ny eritreritray, ny fanirianay, ny hetahetanay."
Enjehina noho ny ‘fanakorontanam-bahoaka’ ireo mpikatroka mpomba ny demaokrasia any Zimbaboe
Nanameloka ny fanorisorenana, ny fandrahonana ary ny fanenjehana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny demôkrasia ireo ny Kofi Annan Foundation, ary mandrisika ny manampahefana hanaja ny paika ara-pitsarana.
Mahatonga tahotra iray volana mialoha ny aniverseran'ny tondradranon'i Derna ny tondradrano ao Libya
Nifanandrify tamin'ny fanatonan'ny tsingerintaonan'ny voina tao Derna, sy ny fihamafin'ny krizin'ny toetrandro ny tondradrano vaovao ao Kufra.
Mpikarakara ny ‘Walk for Justice’ (Diabe ho an'ny Rariny), nametraka fitoriana pôlisy ao Malezia
"Tokony hatsahatry ny pôlisy izay rehetra tetikady mahery setra ary hajanony ny fanaovana lasibatra an'ireo mpanao hetsipanoherana am-pilaminana sy mpanakiana ny governemanta.."
Naaton'i Azerbaijan ny mariazy mandritra ny COP29
Hotely fampakaram-bady maromaro no nanamafy fa nasaina nandà ny famandrihana mialoha sy mandritra ny COP29 (8-22 novambra) izy ireo ho fandraisana ireo vahiny iraisam-pirenena hoavy ary hisorohana ny fitohanan'ny fifamoivoizana.
Zavakantom-panoherana ho fitaovam-piadian'ny Hetsiky ny Mpianatra ao Bangladesh izao
Tranga miavaka amin'ny hetsiky ny mpianatra ao Bangladesh amin'izao fotoana izao ny fampiasana sariitatra sy tantara an-tsary zaraina amin'ny media sosialy, sy graffiti mbamin'ny afisy eny an-dalana.
Nangasihasy ry zareo Belarosiàna any am-pielezana nony nahita fa tsy nisy tamingana Belarosiàna tamin'ilay fifanakalozana gadra
Mazàna no tsy raharahaina ny fijalian'ireo Belarosiàna gadra pôlitika, ary na 18 aza no navotsotra tamin'ny volana lasa iny, tombanana ho mbola misy 1.400 any am-ponja